Mois : mai 2025

TSELATRA

Pretra teratany vahiny namoy ny ainy noho ny lozam-pifamoivoizana nanjo azy tao Manandona, Antsirabe, ny alarobia 21 mey teo. Nifandona tamin’ny kamiao ny fiara tsy mataho-dalana nentin’io niharan-doza io. Niezaka nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana ireo nanatri-maso saingy tsy tana ny ainy. Miasa ao Fianarantsoa io Pretra tra-doza io. Saron’ny […]

Fivadiham-pitokisana : Tratra i Veve, roa taona nifampitadiavana

Voasambotry ny zandarimaria notarihin’ny Kly Faneva, tao amin’ny kaominina Antani­meva, faritra Atsimo Andrefa­na, omaly, ny lehilahy atao hoe Veve, izay nisoloky sady nivadi-pitokisana. Roa taona nifampitadiavana io lehilahy io. Namoahan’ny mpitandro filaminana filazana fikarohana tao Maintirano izy nanomboka ny taona 2023. Zaodahin’ny mpanao baolina malaza iray eto an-toerana “Voavy Paulin” […]

Antohomadinika IVO: Jiolahy raindahiny lavon’ny balan’ny polisy

Lavon’ny polisy, omaly, tetsy Antohomadinika IVO, ny mpanendaka raindahiny. Nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana teny amin’ny manodidina izy sy ny namany. Nampiasa antsy lavalela izy io, saika hamely ny polisy. Vokany, maty voatifitra izy. Jiolahy iray lavon’ny balan’ ny polisim-pirenena avy amin’ny UIR omaly tamin’ ny 1 ora maraina, […]

Renim-pianakaviana atleta : Maniry ny hahita asa tsara i Soloniaina Malala

Maro amin’ireo ve­hivavy malagasy atleta no efa renim-pianakaviana, amin’izao. Misy amin’izy ireo nefa mbola ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ary miezaka mafy mitady izay mahasoa ho an’ny fanatanjahantena sy ny ankohonany. Vehivavy malagasy mpilalao manana ny lazany amin’ny taranja tolona i Soloniaina Malala. Efa renim-pianakaviana ny tenany, nisy ny fanadihadiana natao […]