Habibiana !… Izay no azo ilazana ity fanolanana sy herisetra niseho tamina renim-pianakaviana iray tao Ambodielana tsy lavitry ny Sarilenta, ny alahady 18 mey hariva lasa teo. Handeha hanatitra vatsin’ny zanany hanao fanadinana CEPE andrana tao amin’ny fokontany Ambodimanga, kominina ambanivohitra Ambodilazana, ilay ramatoa no nifanehatra tamin’ ity tovolahy 20 taona […]
Mois : mai 2025
Nihotsahan’ny trano : Mpanao trano roa lahy namoy ny ainy
Mpanamboatra trano roa lahy niara-maty tao Tambohobe, kaominina Fianarantsoa, omaly. Mpiasa aman-jatony no mandray anjara amin’ny fanamboarana trano lehibe iray ao amin’io toerana io. Tsy nanampo na inona na inona ireo vatan-dehilahy ireo fa nanao ny asa fanaony andavanandro. Niharan-doza tampoka izy ireo. Nihotsaka ny ampahany tamin’ny trano namboarina. Olona […]
Inner Wheel : Mpianatra 17 nahazo mari-pankasitrahana
Notolorana mari-pankasitrahana tetsy Antaninarenina, afakomaly, ireo ankizy 17 nandrato fahalalana momba ny zaitra. Nianatra nandritra ny enim-bolana, nanomboka ny volana janoary hatramin’ny volana jona, teo anivon’ny fikambanana Inner Wheel club Antananarivo izy ireo. Izay nahitana sokajy vao manomboka sy manao perfectionnement. Safidiana manokana hanaraka ny fiofanana ireo vehivavy anaty fahasahiranana. […]
Famonjena anaty rano : Niofana ny vondrona Vonjy voina Ivato
Niteraka resabe tany anaty tambajotra sosialy ny famonjena olona latsaka anaty rano ataon’ny sampana mpamonjy voina. Matetika, maka ny olona dobo rano no ataon’izy ireo fa tsy tsikaritry ny mpitazana ny vonjy aina sy famelomana na ala nenina atao amin’ilay niharam-boina. Efa voaofana anefa ireny mpamonjy voina ireny ary mahafantatra […]
Toamasina : Feno fako sahady ny lalana eo amoron-dranomasina
Tototra fako sy diky ny eny amoron-dranomasina, Depot manamorona ny “voie rapide”. Tsy laitra iainana ny fofona maimbo ataon’ireo mponina… Vao ety amin’ny 500 metatra tsy hahatongavana eo amin’ny faritra misy ny tonelina natao ho lalam-bahoaka raha ho eny amoron-dranomasina dia efa sempotry ny fofona maimbo. Nataon’ny fokonolona ao Depot […]




