Afaka 4 andro, hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra faha-7, taranja handball, sokajy zandriny vehivavy, i Madagasikara na ny “IHF Trophy 2025”. Tafiditra ao anatin’ireo firenena mifaninana i Tchad. Firenena 5 izany no hiady ho lohany. Hotanterahina etsy amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, manomboka ny talata 27 hatramin’ny sabotsy […]
Mois : mai 2025
TSELATRA
Renim-pianakavina iray manana fahasembanana no maty an-drano teny amoron-dranomasina, tany Mahajanga, omaly. Nisaika teo amin’ny Bord de la mer akaikin’ny Chambre de commerce izy. Olona nilomano teny amin’ny manodidina no nahita azy ka nampiakatra ny razana. Efa nalefa eny amin’ny tranom-paty an’ny hopitaly Androva ny razana. Nahitam-bokatra ny hetsika manokana […]
Anosizato Atsinanana I : Zaza menavava narian-dreniny
Narian-dreniny niaraka tamin’ny taratasy ny zaza menavava iray teny Anosizato Atsinanana I, omaly tolakandro. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra zazakely nifonofono tao anaty lamba. Nosorotan’ny renin’ny zaza tao anatin’ny taratasy fa sahirana izy. Tsy ho sambatra mihitsy ny zanany raha toa ka hiaraka hatory an-dalana aminy. Nangataka amin’ny olona mba […]
Ambamaro : Noleran’ilay vehivavy antsy ny sakaizany
Trobaka tao ambany heliny ny tovolahy vao 18 taona teny Ambatomaro, boriborintany fahadimy, ny alin’ny alarobia 21 mey teo. Nifamaly tamin’ny sakazainy io tovolahy io. Niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana ny tsy fitovian-kavitra teo amin’ny roa tonta. Tsy nahatsindry fo ilay vehivavy 22 taona. Naka zava-maranitra ka nanindrona izany tamin’ilay sakaizany. Nanaitra […]
Zatovo nanao andrana fiara : Lehilahy maty voadona, potika ny razana
Nipitika ny tongotr’ilay olona maty, voadonan’ny fiara teny Ambohitrimanjaka. Hatry ny omaly, tsy mbola fantatra ny momba azy. Atao andrimaso eny amin’ny hopitaly ireo zatovo lahy sy vavy nitondra ilay fiara tra-doza nandritra ny andrana nataon’izy ireo. Tsy mbola hita ny havan’ ilay lehilahy maty sy potika voadonan’ny fiara teo […]




