Zava-dehibe tao anatin’ny fandaharanasa ny fampiroboroboana ny Transfert de gestion ahafahan’ny Vondron’ olona eny ifotony mitantana ny ala eo aminy sy mametraka rafitra fitantanana hanatsarana ny ala, tsy hamotika ny atiala. Voaaro vokatr’izany ny velarana 14 400 ha miaraka amin’ny Vondron’olona ifotony (VOI).
Ankoatra izay, misahana ny fampitaovana ireo mpiantsehatra na fikambanana ny fandaharanasa. Ohatra ny fanamboarana milina hanatsarana ny rojom-pihariana.
Ho fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, namokatrana fantana Green Mad Dôme Raitra (GMDR) manome arina maitso amin’ny fomba ekolojika ny fikambanan’ny mponina. Arina novokarina avy amin’ny toerana fambolen-kazo an’ny fikambanan’ny mponina eny ifotony ireo ampiasaina amin’ny fantana GMDR. Arina maitso mampihena ny entona mpangeja hafanana raha mitaha amin’ny fantana mahazatra no mivoaka ao amin’ny fatana GMDR. 22 ny isan’ny fatana napetraka.
Mitentina 10 00 000 euros mahery ny sora-bola nampiasaina tao anatin’ny fandaharanasa Afafi -Nord AF izay niarahan’ny minisitera federaly alemàna misahana ny fampandrosoana sy ny toekarena (BMZ) sy ny Vondrona eoropeanina namatsy nanomboka ny taona 2018-2024. Mahatratra 6 700 ny mpisitraka fandaharanasa tany Ambilobe, raha 3 300 ny tanjona napetraka teny am-piandohan’ny fandaharanasa.
Nanatontosa : Vonjy




