Jono antsokosoko: Naiditra am-ponja ireo srilankey

Nitotaly 17, 143 taonina ny antsantsa, fa tsy 16 taonina, rehefa tena navoaka tao anatin’ilay sambo Ruth Baba 6, tratra nanjono tsy ara-dalàna, ny 5 jona teo, tany Cap St André, Besalampy. Naiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany ireo tantsambo tera­tany srilankey valo lahy. Nanatanteraka ny fitsirihana sy ny fanadihadiana ny Diredd Boeny-Betsiboka, ny Foibe mpanara-maso ny jono (CSP), ny ladoany, ny Polisin’ny fifindra-monina ary ny Borigadin’ny seranan-tsambo Mahajanga.
Karazany telo ny antsantsa tao anatin’ilay sambo, « Requin pointe blanche » (Carcharinus albimarginatus), « requin dagsit » (Carcharinus amblyrhynchos) ary « requin soyeux » (Carcharinus falciformis). Tafiditra ao anatin’ny Tovana faha-2 ny lalàna Cites, lisitry ny biby atahorana ho lany tamingana ireo hazandrano ireo. Izay midika fa mila fahazoan-dalana sy fepetra manokana ny fahafahana mitrandraka sy manjono azy. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) miaraka amin’ny mpitandro filaminana, hikarohana ny mety ho mpiray tsikombakomba amin’izy ireo eto an- toerana, na any ivelany.

Njaka A.

Partager sur: