VAOVAO TAMBATRA

Zara raha tapakandro sisa ny fotoana ahazoana ny herinaratry ny Jirama, izany hoe, mihodina 50%. Mitotaly adiny 10 hatramin’ny 12 ora isan’andro ny delestazy. Tapaka manomboka amin’ny 7 hatra­min’ny 11 ora maraina (adiny 3), amin’ny 3-6 ora (ora 3), amin’ny 10 alina -3 maraina (ora 5). Izany hoe, zara raha mihodina 50% ny famokarana.

Ho tapaka ny lalam-pirenena faha-2, anelanelan’i Manjakandriana sy i Marozevo, (PK 61 – PK 63+500), ny zoma 13 jona ho avy izao, manomboka amin’ny 12 ora atoandro hatramin’ny 1 ora tolakandro. Antony, hisy ny fanapoahana vato, ilaina amin’ny fanarenana sy fikojakojana ny lalana. Tsy misy ny fivilian-dalana mandritra io fotoana io.

Hamafisina ny fiaraha-miasa Chino-Africain, indrindra amin’ireo sehatra manan-danja, toy ny fotodrafitrasa, indostria, fambolena ary angovo. Tanjona ny handrindrana ireo laharam-pahamehana ao anaty fampandrosoana. Resahina ireo nandritra ny fihaonambe Focac natao ny 10-12 jona, tany Changsha, faritan’i Hunan, Sina. Nandray anjara koa i Madaga­sikara.

Mpanao fikarohana anaty ranomasina ny sambo alemà RV Meteor. Vaventy, mirefy 96 metatra ity sambo ity, ary maro ny Malagasy mpikaroka nahazo tombontsoa taminy. Anisan’izany ny minisitry ny Jono (MEPB), Tsimanaoraty Paubert, nandray anjara tamin’ny fikarohana natao tatsy La Réunion hatrany Walvis Bay Namibia, ny taona 2014.

Partager sur: