Manoloana ny hamafin’ny fiainana, ny rarintsaina. Tena ilain’ny ray aman-dreny ny mizara ny vesatry ny fo sy saina amin’ireo olona natao hihaino sy hitondra vahaolana amin’ izany. Tsy tokony hahamenatra na hampiampanga tena ho tsy mahavita miatrika fiainana raha manatona ireny olona ireny fa natao hanampy betsaka amin’ny fahaizana miatrika sy mijoro tsara indray. Misy ireo ray aman-dreny tena mila olona hihaino azy. Tokantrano tsy ahahaka, hoy ny fiteny, kanefa misy fotoana tonga amin’ny fetra zakan’ny saina ny zava-misy amin’ny fiainana ka mila olona hizarana sy iresahana. Natao ho amin’izany indrindra ireo manam-pahaizana manokana sy efa matihanina amin’ny fihainoana sy fandaminan-tsaina ary manao fanohanana manokana. Misy ireo ray aman-dreny tena very hevitra amin’ny fitaizana ny zanany ary mila fampaherezana manokana fa tsy vitan’ny fitseran’ny fiarahamonina sy ny havana fotsiny dia mila manatona ireny olona ireny.
Efa voaofana manokana, mihaino tsara, tsy mitsara, tsy manome tsiny. Manampy amin’ ny fahatakarana ny fihetseham-po sy hamoaka ny enta-mavesatra ao anaty ireny olona ireny.
Anisan’izany Rakotonjafiniarivo Zo izay mandray olona maimaimpoana isaky ny alakamisy ao amin’ny Centre d’écoute Iray Fo, etsy Soanierana. Ankoatra ny olan’ny ray aman-dreny eo amin’ny fitaizana dia mandray an-tanana sy manohana ireo vehivavy nidonam-pahoriana ihany koa izy.
Nanatontosa : Nangonin’i Tatiana A




