Banky iraisam-pirenena: Mitotongana ny toekarena maneran-tany

Mietry tanteraka ny toekarena maneran-tany noho ny fifanolanana ara-barotra sy ny zava-misy amin’izao fotoana. Mihena ny fampiasam-bola, midangana ny vidim-piainana.

Heverin’ny Banky iraisam-pirenena fa hietry ny toekarena maneran-tany mandritra ity taona ity noho ny fifanolanana ara-barotra sy ny zava-misy ara-jeopolitika. Voa­laza ao anatin’ny tatitra nataony farany fa hidina hatrany amin’ ny 2,3% izany ho an’ny taona 2025, taha ambany indrindra ha­tramin’ny taona 2008. Saika ny 70% ny toekarena maneran-tany no ahitana io fidinana io raha ny vinavina natao. Zava-misy mampanahy indrindra ny any amin’ireo firenena andalam-pandrosoana. Anke­hi­tri­ny, «mihevaheva ny toekarena ao amin’ireo firenena ivelan’i Azia», hoy ny mpahay toekarena, Indermitt Gill. «Heveri­na kosa fa hitombo 3,7% ny toekarena mandritra ny taona 2025 ary hahatratra 4,2% ho an’ny taona 2026-2027, ho an’ireo firenena Afri­kanina atsimon’i Sahara », hoy hatrany ny fanazavana voaray. Nilaza ny Banky iraisam-pirenena fa niakatra 6% ny taham-pandrosoana any amin’ireo firenena andalam-pandrosoana, ny taona 2000. Niiba tany amin’ny 4% izany, ny taona 2020. Antony, ny fitotongan’ny raharaha ara-barotra maneran-tany hatrany amin’ny 3% raha 5% izany nandritra io vanim-potoana io. Mihena ihany koa ny fampiasam-bola, midangana ny trosa.

Miiba ny tondro fandrefesana

Ny taona 2025, vinavinaina hiakatra 5,3% ny taham-pandrosoana ho an’ireo firenena andalam-pandrosoana, izany hoe, mihena 0,4 ny isa noheverina tany am-boalohany. Na izany, niiba 3,8% ny toekarena raha niakatra 5% izany nandritra ny taona 2010.
Ankoatra izay, mbola midangana eo amin’ny 2,9% ny vidim-piainana. Mampietry ny ady amin’ny fahantrana sy ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena matanjaka ny zava-misy. Noho izany, mihena ny fidiram-bolan’ny tsirairay ary mety afaka 20 taona vao hiverina amin’ny laoniny izany.
Ankilany, azo heverina hiakatra 0,2% ny fitomboan’ny toekarena, ny taona 2025-2026, raha toa ka hihena ny olana ara-barotra maneran-tany, hoy hatrany ny Banky iraisam-pirenena.

Henintsoa

Partager sur: