Fikambanan’ny tia sy mpikirakira ny literatiora. Miavaka indrindra amin’ny fanandratana ny teny malagasy ihany koa ny Faribolana Sandratra. Mamolavola ireo mpandimby ihany koa fa hiampita isaky ny andian-taranaka izany.
“Haisoratra, rakitry ny lasa, fanoitry ny hoavy!” ny teny filamatra. “Izay tsy mihetsika, mihitsoka” sy ny “Mamorona fa tsy mamelona” kosa ny lalan-tsaina novoizina hatramin’izay. Nanamarika ny faha-35 taona nisiany, tamin’ny taon-dasa, ka nifarana ny volana janoary teo ny Faribolana Sandratra. Efa taona maro nialoha ny 1989 nijoroan’ny fikambanana voalohany anefa no nifandray, nampitovy hevitra, ireo olon’ny literatiora maromaro nitovitovy fironana. Nokolokoloina ho tia ny zavakanto izy ireo tany amin’ny taona 1972, vanim-potoana izay nampiboiboika ny fitiavan-tanindrazana sy ny maha Malagasy tao anatin’ireo tanora rahateo.
Efa mpinamana sy nifankafantatra teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ry Solofo José, J.Nalisoa Ravalitera, Ilay… Nifanantona tamin-dry Randja zanamihoatra izy ireo taty amin’ny taona 1980.
Mpiray faribolana…
Nisy ny fikononkononana sy fifamoriana mba hikolokolo sy hanao izay tsy hahafaty ny teny malagasy sy ny literatiora malagasy izay notarihan’Ilay sy Solofo José. Tonga nanatevin-daharana tao ry J. Nalisoa Ravalitera, Ramy, Elie Rajaonarison, Niry Solosoa, Ranoë, A.R.Ni, Lydiary sy ny maro hafa. Natao fomba fiasa tamin’izany ny fampahafantarana ny asan’ireo zoky be poeta sy mpanoratra teo aloha (Jean Joseph Rabearivelo, Randja Zanamihoatra, ny Avana Ramanantoanina…) sady mampahafantatra ireo mpanoratra tanora sy talenta vao misondrotra. Niady hevitra sy nifampizara momba ny literatiora malagasy no natao isaky ny mivory tamin’izany. Tsy nisy ambony sy ambany na avo sy iva ny fifampitondrana, ka izany fomba fiasa sy fomba fifampitondrana izany indrindra no niantsoana ity fiarahana ity hoe “Faribolana”.
Teraka ny Sandratra
Ny taona 1987 dia nanao tsangan-tononkalo (montage poétique) ho fankalazana ny faha-50 taona nahaterahan’i Jean Joseph Rabearivelo ny Faribolana, izay naseho indroa miantaona noho ny fitiavan’ny olona io fampisehoana io. Nanao tsangan-tononkalo iray nentina nankalazana ny faha-50 taonan’i Randja Zanamihoatra indray avy eo. Nomena ny anarana “Faribolana Sandratra” sy ny sary famantarana (sarin-tanana roa manandratra ny soratra hoe “sandratra”) ny taona 1988. Ny taona 1989 kosa no namoahana ny boky “Sandratra amboara voalohany”. Natsangana ara-panjakana tamin’io taona io ihany koa, ary nanomboka ny “antsa tononkalo”, izay natao tao amin’ny CGM Analakely, notohizana hatramin’izao. Hevitra nentin’i Elie Rajaonarison izy ity, rehefa nahita ny “lecture poétique” tamin’ny “café littéraire” tany Allemagne izy.

Ny Sandratra sy ny teny malagasy
Hamelona, hampiroborobo, hampiaina ary hampita ny teny malagasy manokana sy ny kolontsaina malagasy ankapobeny ny antom-pisian’ny Faribolana Sandratra. Poeta, mpanoratra, mpampianatra, mpanakanto marolafy ireo mpikambana. Mpikirakira ny haisoratra (tononkalo, sombintantara, tantara foronina, tantara an’onjampeo, angano, sns) sy ny zavakanto mifamatotra amin’ny hakanton’ny teny (sarimihetsika, teatra, hira, sns), izy ireo. Porofon’ ilay fitohizana sy fanilo miampita ary fahaveloman’ny literatiora malagasy ireo tanora mpanoratra ankehitriny.
Sesehena ireo hetsika karakaraina na handraisan’ny Faribolana Sandratra anjara, na miaraka amin’ny minisitera izany na ireo sekoly samihafa: antsa tononkalo, teatra, tantara fihaino an’onjampeo na an-tsehatra, fampirantiana sy varotra boky, velakevitra maro.
Manana ny Gazety Ambioka ihany koa ny Faribolana Sandratra, nanomboka ny taona 1997. Miompana amin’ny literatiora sy kolontsaina malagasy ranofotsiny io, izay vao nivoaka farany teo ny laharana faha-151.
Misandrahaka manerana ny Nosy
Amin’ny maha fikambanana miaina azy, manana mpikambana an-jatony ny Faribolana Sandratra. Manana sampana manerana ireo faritra eto Madagasikara ihany koa. Efa maherin’ny 300 ireo boky navoakan’ny mpikambana manokana, na navoakan’ny sampana na navoakan’ny fandrindrana nasioanaly, nandritra izay fotoana nisiany izay. Manao zaikabe isaky ny roa taona ny Faribolana Sandratra ka tanterahina any amin’ny toerana iray misy sampana eto Madagasikara izany. Misy koa ny fikaonandoha momba ny asa soratra na “résidence poétique” isan-taona.
Akon’ny « Hadimiana Sandratra »
Mpandray anjara feno hatrany amin’ny fanamarihana ny «Iray volan’ny teny malagasy» ny faribolana Sandratra, noho ny antom-pisiany voalohany mihitsy. Taorian’ny fanamarihana ny fanombohana ny fankalazana ny fahazato taonan’i Randja Zanamihoatra, nitohy tamin’ny hetsika «Hadimiana Sandratra» izany, ny herinandro lasa teo. Hetsika marolafy manodidna ny literatiora no notontosaina nandritra ny 5 andro. Anisan’ ny tena nahaliana ny maro ny fitondrana an-tsehatra ny tantara an’onjampeo. Teo koa ny velakevitra momba ny asa soratr’i Randja Zanamihoatra, ankoatra ny fampirantiana nataon’ny sampana sasany. Fantatra fa hetsika hatao isaky ny volana jona izy ity, ary tokony haharitra henemana, saingy noho ny fisian’ny alatsinain’ny Pentekôty tamin’ity no nahatonga azy ho hadimiana. Mbola nanamafy ireo zoky ao amin’ny Faribolana Sandratra toa an-dRanoë, fa efa mampita tsikelikely ny andraikitra any amin’ireo zandry handimby sy hamelo-maso izy ireo.
Nanatontosa : Zo ny Aina
Loharanom-baovao: tomponandraikitry ny seraseran’ny Faribolana Sandratra: Zo-Maminirina




