« Grand concert en live». Fampisehoana rindrankira evanjelika «Miara-midera» hotanterahina ao Antsahamanitra, ny 12 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Handray anjara amin’izany ny Kerobima Ankatso, Ampifitia Isotry Fitiavana, Hosana Ambohijatovo Fitiavana, Ny Koraita Manarintsoa Finoana, KT Ambatovinaky. Nasaina manokana kosa i Nanie sy Mamy Robinson.
Nitondra inona ny « Volan’ny teny malagasy » izay nivalona andro vitsy? Ho an’ireo nikarakara hetsika, mety ho afa-mandrefy ny dingana vitany. Fa ho an’ny teny malagasy sy ny Malagasy mampiasa azy mba ahoana? Mbola maro ny lesoka mila harenina. Ny toe-tsaina na ilay fiheveran-tena ho « … » no fanetriben’ny fanomezan-kasina ny teny malagasy. Fiheveran-tena ho «ambany» raha mampiasa ny teny malagasy madio. Fiheveran-tena ho «ambony» raha mampiasa ny teny vahiny.
Ho an’ireo izay manao asa tsara. Mahavelona ny fanamboarana zavamaneno. Saingy nambaran-dry zareo fa somary miaka-bidy kokoa ny asa vita. Faharoa, sarotsarotra kokoa ny mampanaiky ny sain’ny Malagasy fa tsara ny asa tanana malagasy, satria, efa niaina tao anatin’ny tandrametaka tao anatin’ny fotoana naharitra ny tontolon’ny asa tanana malagasy. Fahatelo, mbola maro ireo mpanamboatra zavamaneno no tsy mety mahasokatra lalam-barotra lehibe noho ny tsy fahampian’ny hoenti-mamaly ny filan’ny tsena.




