Malagasy mianatra teny malagasy… Satria, tsy nisy nahay tany an-kibon-dreniny. Fa misy koa ny Malagasy manao tsinontsinona ny tenin-drazany fa te ho… Na eo aza ireo rehetra ireo, ilaina ny mpampianatra mahay teny malagasy.
Hivalona tsy ho ela ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Fotoana nanandratana ny hasin’ny teny malagasy. Nanatanterahina hetsika maro mifandraika amin’izany. Niharihary tamin’ireny fampirantiana sy velakevitra ireny fa manana mpampianatra teny malagasy maro be ny fiarahamonina ankehitriny. Ao ny ray aman-dreny, ireo mpikabary, ny mpamorona tononkalo, ny mpamoron-kira, ny mpitory teny, ireo mpilaza vaovao isan-tsehatra, sns.
Hatramin’izao, anefa, mbola ahitana sy ahenoina lesoka lehibe avy amin’ireny lazaina ho mpampianatra ireny. Mila mianatra ny mpampianatra teny malagasy. Maro loatra ireo fahadisoina ambaran’ny vava sy soratan’ny tanana. Mifanindran-dalana amin’ izany ny fahasahiana manitsy ny diso. Na iza na iza, ahitsy rehefa mandiso.
Ny an’ny hafa aza hisahiranana
Mahavariana fa ny Malagasy rehefa hiteny vahiny, misahirana fatratra ery sao mandiso na sao heverin’ny olona fa tsy mahay. Amboarina ery ny fanononana ny « r » mba tsy ho « « r » gasy be », hoy ny sasany. Fa angaha ratsy ny fanononan’ny Malagasy ny « r » ? « Tsia, tsara fa ny an’ny vahiny mbola tsaratsara kokoa », hoy ny hafa. Asa miandry, mila fanarenana goavana ny fomba fisainana hametraka ny an’ny tena ho eny an-doloha.
Misahirana sy mitandrina fatratra ery rehefa hanoratra amin’ny teny vahiny. Ampiasaina ny fitaovana harifomba. Antsoina ny olona heverina fa mahafehy ilay teny, satria, mahamenatra raha mandiso. Ka raha samy hisahirana tahaka izany, tsy aleo ve ny teny malagasy no hanaovana ezaka sy hisahiranana? Menatra raha mandiso ny teny vahiny fa mandeha ho azy sy efa mahazatra raha ny teny malagasy no tsy mandeha amin’izay laoniny.
Raha, sanatria, ka tsy miova ao anatin’ny 5 taona ny fomba fisainan’ny Malagasy manoloana ny teniny. Ny ampahatelon’ny Malagasy sisa no hiteny amin’ny tenin-drazany.
HaRy Razafindrakoto




