Ampela Online: tohana ho an’ny vehivavy mandraharaha

Hanova tanteraka ny fiainan’ny vehivavy ny fampiofanana momba ny niomerika omen’ny Yas Madagascar sy ny Stem For Good ary ny Maison du Numerique etsy Ankorahotra ny tetikasa Ampela Online. Tanjona ny hanomezan-danja ny vehivavy eo amin’ny fiaraha-monina sy hanohanana ny fidiram-bolany amin’ny alalan’ny fikirakirana ny niomerika mba hampaleo tena azy. « Mai­maim­poana ny fiofanana atao mandritra ny roa volana. Hampianarina azy ireo mandritra izany ny tombontsoan’ny fampiasana ny Internet sy ny tambazotra sosialy eo amin’ny sehatry ny fandraharahana mba hampitomboina bebe kokoa ny fidiram-bolany sy ny fanabeazana ara-bola », hoy ny tompon’andraikitry ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy sy tontolo iainana (RSE) ny Yas Madagascar, Rabefitia Riantso. Notsindriany manokana fa natokana ho an’ny rehetra ny seha-piofanana, izany hoe, ho an’ireo vehivavy mahay na tsy mahay mikirakira ny niomerika. Amin’ity andiany ity, miisa 25 ireo vehivavy efa manana andraikitra na koa orinasa kely mampidi-bola hanaraka ny fiofanana. Tanjona kosa ny hahatrarana izany ho 100 hampivoarana ny fiainana, raha ny fanazavana hatrany.

Miara-miasa
Mpiara-miombon’antoky ny tetikasa Ampela online ny Stem For Good, Maison du numerique ary ny Yas Madagascar izay samy mikatsaka hampivoatra ny fiainan’ireo vehivavy marefo. Miantso ny vehivavy hisehatra ny niomerika ny Stem for Good noho izy manampy amin’ny fandraharahana sy fampandrosoana ny fihariana, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny serasera, Harinoro Sandra. Araka izany, hanampy amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny Yas Madagas­car amin’ny alalan’ireo solosaina miisa 25 nomen’ny Yas Madagascar hanarahana ny fiofanana.

Henintsoa

Partager sur: