Mandalo « laboratoire » sy atao fitiliana isaky ny ora iray ny menaka vokarin’ny orinasa Hita. Manara-penitra ny famokarana sady mandalo fanadiovana samihafa mialoha ny hamarotana izany eny anivon’ny mpanjifa. Nidina ifotony tany Toamasina, toeram-panodidina menaka ataon’ny orinasa ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, ny faran’ny herinandro teo. Nanomboka tao Ampilaolava, toeram-panadiovana ny menaka Rajah, nitohy tao Androranga izay fanadiovana ny menaka soja Hina sy ny menaka tournesol Lafatra ny fitsidihana. Niara-dia taminy ireo tomponandraikitry ny faritra Atsinanana sy ny solotenan’ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa avy amin’ny FIMZOMPAM sy ny PMH. Notsirihina nanomboka amin’ny menaka mbola tsy voadio hatramin’ny menaka atolotra ny mpanjifa ny vokatra. Voamarina sady niara-niaiky ny rehetra fa manaraka ny fenitra takina ny famokarana ny vokatra ka tsy misy tokony ho atahorana. “Manamarina izahay fa manara-penitra ny orinasa mikarakara izany menaka Hina sy Lafatra izany”, hoy ny filohan’ny FIMZOMPAM, Rabarison Tiana, izay nanamafy koa ny maha zava-dehibe ny fanaraha-maso eny amin’ny mpivarotra mpaninjara sy mpamongady.
Henintsoa




