Nihaona nandritra ny roa andro ny solombavambahoaka sy ny governemanta. Roa andro noheverina fa mba hamelona ny fanantenan’ny Malagasy izay miandrandra vokatra amin’ny mpitondra. Inona akory no teo? Toa tsy mba misy zavatra mivaingana azo raisina ireto depiote. Lany tamin’ny “omeo omeo foana” toa saka ny efatra minitra natokana […]
Mois : juin 2025
Vola nogiazan’ny Bianco : 100 miliara Ariary tao anatin’ny efa-bolana
Nahatratra 100 miliara Ariary ny vola nogiazan’ny Bianco ny volana janoary hatramin’ny avrily 2025. Olona 180 naiditra am-ponja vonjimaika. “23 miliara Ar tamin’ny 2024 no nogiazina hahazoana mamerina azy any amin’ny fanjakana. Tafakatra 100 miliara Ar ny vola na fananana nogiazina tamin’ity taona ity, hatramin’ny avrily”. Io ny fanazavan’ny tale […]
Fikambanam-pinoana katolika : Notolorana mari-boninahitra ireo nahavita be tamin’ny Antilin’i Madagasikara
Anisan’ireo miara-miasa sy manampy ny eny anivon’ny fiarahamonina ny skoto, anisan’izany ny Antily eto Madagasikara. Nomena mari-boninahitra ireo nahavita be tamin’ny fikambanana. Feno zato taona ny 23 marsa, ny taona 2023 teo ny fikambanan’ny skotisma zazalahy izay antsoina hoe Antilin’i Madagasikara. Ity farany izay saika ahitana azy avokoa ny diosezy […]
Gazety boky Le Radar : Mitondra avo ny feon’ny toekarena
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia teo ny gazety boky Le Radar tontosain’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria France-Madagascar (CCFIM). «Tanjona ny hampahafantarana ny rehetra ny zava-misy marina ara-toekarena», hoy ny tale lefitry ny CCIFM, Razafindrabe Alain. Hita ao anatin’ity gazety boky mivoaka isaky ny telo volana ity avokoa ireo […]
VAOVAO TAMBATRA
Angatahin’ny depiote ny hanarenana haingana ny lalana Moramanga-Anosibe An’Ala. Anisan’ny lahatenin’ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana izany, satria efa ela no niandrasan’ny mponina an’iny lalana iny. Maro koa ny depiote mitaraina amin’ny delestazy sy ny haratsian-dalana, ny fotodrafitrasam-panjakana samihafa. Mandroso ny asa fanamboarana ny arabe Voie rapide, mampitohy ny seranan-tsambon’i Toamasina […]




