Mois : juin 2025

SOMBIM-BAOVAO

Mbola lany fanindroany ho filoha lefitry ny Federasionina iraisam-pirenena, taranja judo indray, Randrianasoloniaiko Siteny. Fifidianana notanterahina tany Budapest, ny alarobia lasa teo, nandritra ny “Congrès ordinaire ” teo anivon’ny IJF. Niatrika izany ihany koa ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny judo, i Said Eric Bruno. Hotanterahina ny 12 hatramin’ny 20 jolay izao, […]

Tenisy – Mada 2026: Hotanterahina ny volana aogositra

Raha tsy misy ny fiovana, hatao amin’ny volana aogositra ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja tenisy. Fiha­onana karakarain’ny Federa­sionina malagasin’ny tenisy (FMT). Hampiantrano izany ny ligin’Antananarivo. Hizara roa miavaka tsara ity fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­ga­sikara ity. Hisantatra izany ny sokajy Junior sy ny Vétérans. Hatao ny 6 ka hatramin’ny 10 aogositra […]

Kick-boxing-“Combat Avenir”: Hiditra amin’ny “chapitre V”

Hotanterahina ny 22 jona izao, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny “Chapitre V” amin’ny fifaninanana “Combat Avenir”, taranja Kick-boxing. Fifaninanana karakarain’ny Lion Force izay efa ahafantarana azy hatramin’izay. Tanjona ny hanome lanja ny taninketsa amin’ny maha “Avenir” ny fifaninanana, kanefa hisy ihany koa ny fandraisana anjaran’ny ekipa nasionaly mandritra io […]

famaranana ny Cosafa 2025 : Hiady ny tapakila i Angola sy i Madagasikara

Hifantoka any Afrika Atsimo ny sain’ny Malagasy mpankafy baolina kitra. Hiakatra an-tsehatra anio indray ny Barea de Madagascar, hiatrika ny manasa-dalana izy ireo. Hotanterahina anio, ao Afrika Atsimo, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika aty amin’ny faritra Atsi­mo, “Cosafa 2025”. Anisan’ny fifanandrinana andrasan’ny maro amin’izany ny fihaonan’ny Barea […]

FANTINA sy FINTINA

Mitaky ny fametraham-pialan’ny mpitondra ny depiote Rajerison Antoine, araka ny fanehoan-keviny, omaly, teny Tsimbazaza. Nohitsiny fa potika ny tanindrazana noho ny tsy fahaiza-mitantana. “Tsy tonga any amin’ny vahoaka ny tamberin’andraikitra fa lasa any amin’ireo nametraka ny fahefana”, hoy izy. Hihaona amin’ireo mpomba sy mpanohana azy, ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana […]