Mois : juin 2025

Échecs -“Tournoi Inter-Entreprise”: hotohizana amin’ny volana septambra

Amin’ny volana septambra izao indray ny fifaninanana “Tournoi Inter-Entreprise”, ta­ranja Échecs, karakarain’ny federasionina malagasin’ ny lalaon-tsaina Échecs. Mbola hisy ihany koa amin’ny volana desambra izao, raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny federasionina. Fifaninanana natao hijerena ireo mpilalao eny anivon’ny orinasa ity lalao ity. Efa betsaka mantsy ny mpilalao mahay any […]

« Salon National des Sports »: samy nanaiky ny maha zava-dehibe ny hetsika ny mpiantsehatra

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy lasa teo, tetsy Mahamasina, ny andro fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ny Fanatanjahantena. Ho fanamarihana izany, nikarakara hetsika goavana, « Salon National des Sports », miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy, teny an-toerana, ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), izay tarihan’ny minisitra, Moustapha Marson Abdulah. Samy nahatsapa ny […]

“Urban Trail”- Ady amin’ny lefakozatra: nahatratra 4500 ny isan’ireo mpandray anjara

Samy afapo tamin’ny hazakazaka, izay nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fana­tanjahantena (MJS) sy ny Rotary Club, ireo mpandray anjara tamin’ilay “Urban Trail”. Natao hitadiavana vola hiadiana amin’ny lefakozatra izany. Nahomby ! Mpandray anjara maherin’ny efatra arivo, izany hoe 4500, tonga niatrika ny hazakazaka amin’ny alaviran-dalana, “Urban Trail”, omaly. Araka ny […]

Loza nandritra ny fety: mpilomano natelin’ny ranomasina

Raim-pianakaviana 26 taona, natelin’ny ranomasina ny 25 jona teo, tetsy amin’ny ranomasina mifanila amin’ ireo trano heva maro be fivarotana zava-pisotro. Raha ny angom-baovao, noho ny fiaretan-tory fiandrasana ny fetim-pirenena ny 26 jona dia niaraka tamin’ ny vadiny ity tovolahy ity mba hiaraka « hanala azy », araka ny tenin’ny zatovo ankehitriny […]