Mois : juin 2025

Razanamahefa Tiana Jinah : Maniry ny ho lasa mpilalao matihanina any ivelany

Nifarana ny alahady teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Ru­gby. Ani­san’ireo ve­hivavy­mal­a­gasy mpi­­lalao na­naovana fanadihadiana tamin’izany, Raza­nama­hefa Tia­na Jinah. Mpilalao miavaka sy sariaka ary misongadina amin’ny hafainganam-pandeha Raza­na­mahefa Tiana Jinah, na i Jinah, vehivavy mpilalao rugby. 25 taona ny tenany, amin’izao fotoana izao, ary manam-paniriana ny ho lasa […]

VAOVAO TAMBATRA

Notolorana mariboninahitra Commandeur de l’ordre national, ny Pr. Lily-Arison René de Roland, omaly. Natao izany noho ny nahazoany ny loka iraisam-pirenena Indianapolis 2025, vokatry ny fikarohana sy ny fiarovana ny karazan-javamananaina eto Madagasikara. Nisolo tena ny filoham-pirenena sy ny governemanta nanolotra izany ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana […]

PoP MVola : Manakaiky ny mpanjifa hatrany

Feno dimy ny toerana Points of Presence (PoP) an’ny orinasa MVola, ka anisan’izany ny eny Analakely sy Sabotsy Namehana. Nambaran’ny tale jeneraly (DG) MVola, Olivier Favot, ny 16 jona teo, tetsy amin’ny masoivoho PoP, akaikin’ny banky BNI Andohan’Analakely, fa “taratry ny finiavana hanapariaka ny tolotra omena ny mpanjifa izao hetsika […]

Fadintseranana : Ampiasaina ny niomerika amin’ny fitantanana ny mpiasa

Mitohy hatrany ny fampiasana ny teknolojia niomerika amin’ny fitantanana ny ladoany. Anisan’izany ny fitantanana sy ny andraikitra omena ny mpiasa. Nampahafantarina, omaly, ny tetikasa « Projet 29 », mahakasika ny fitantanana ny mpiasa mifototra amin’ny fahaiza-manaony ao amin’ny fitantanana foibe ny habantseranana (DGD). Tafiditra ao anatin’ny drafitrasa stratejika 2024-2029 ny fametrahana ny […]