Fiandrianam-pirenena: Lazon’ady fiady ny fitakiana ireo Nosy malagasy manodidina

Lavitra sy ela ny lalana nodiavina amin’ny fitakian’i Madagasikara ny fiandrianam-pirenena amin’ireo Nosy malagasy manodidina. Lazon’ady fiady… Mila fahasahiana sy fijoroana hatramin’ny farany, fiaretana sy faharetana. Fintina tantara…

Tamin’ny taona nisian’ny fifanaraham-piaraha-miasa vaovao teo amin’i Madagasikara sy i Frantsa, 1973, no namoahan’i Mada­ga­sikara ny fitakiana ireo Nosy malagasy manodidina: ny Nosy Sambatra (Glorieu­ses), ny Nosy Ampela (Euro­pa), ny Nosy Kely (Juan de Nova), ny Nosy Bedimaky (Bassas da India). Mahatratra 44 km2 ny velaran-tany amin’izy ireo, ary tsy mihoatra ny metatra vitsivitsy ny haavony. I Ampela no lehibe indrindra, izay manana velarana 32,9 Km2. Saika difotry ny rano tanteraka i Bedimaky amin’ny fiakaran’ny rano.
Nanomboka tamin’ny taona 2007, lazain-dry zareo Frantsay hoe Nosy miparitaka aty amin’ny ranomasimbe In­dianina, iray amin’ireo distrika dimy ao amin’ny faritany Fran­tsay Atsimo sy Antarktika (TA AF) izy ireo. Miaraka amin’ny Nosy Saint-Paul sy Amster­dam, ny Vondrono sy Crozet, ny Nosy Kerguelen, ary ny tany Adélie izany. Ni­tana ny satan’ny “faritany sisa amin’ny Repoblika” izy ireo teo aloha. Na tsy manana mponina sivily maharitra aza ireo Nosy ireo, mifandimby any isaky ny 45 andro ny miaramila frantsay. Nampidirina tsikelikely tao amin’ny fanjakana mpanjanaka frantsay ireo Nosy ireo, indrindra fa tamin’ny taona 1930 niaraka tamin’ny Nosy Sambatra.

Tokony ho niverina niaraka tamin’ny Fahaleovantena

Noho ny fangatahan’ny Fikambanana maneran-tany momba ny toetr’andro, nanapa-kevitra i Frantsa tamin’ny 1950 fa hametraka tobim-pikarohana momba ny toetr’andro any. Toerana stratejika eo amin’ny lalan’ny rivodoza tropikaly avy any amin’ny faritra atsimo andrefan’ny ranomasimbe In­dianina izy ireo, izay mety hisy fiantraikany amin’i La Réunion, i Maorisy, i Seychelles, i Mayo­tte, i Kaomoro sy i Madagasi­kara ary i Mozambika. Nihama­fy ny famaharan’ny Frantsay tao amin’ireo Nosy ireo, tamin’ny 1973, rehefa naorina tao amin’ny Nosy Ampela sy Nosy Sambatra ary Nosy Kely ny toby miaramilan’ny Tafika ao amin’ny faritra atsimon’ny ranomasimbe Indianina.
Tsiahivina fa tamin’ny taona 1896 no nanambaran’ny fanjakana mpanjanaka frantsay fa lasa zanatany frantsay i Mada­gasikara sy ireo Nosy miankina aminy. Koa lasa faritany tantanin’ny protektoran’i Madagasi­kara ireo Nosy manodidina any amin’ny ranomasimbe Indiani­na. Na izany aza, tamin’ny ankatoky ny Fahaleovantenan’i Madagasikara, 26 jona 1960, namoaka didim-panjakana ny fitondram-panjakana frantsay nanaisotra ny Nosy Sambatra, ny Nosy kely sy ny Nosy Ampe­la ary Nosy Bedimaky avy ao amin’ny faritanin’ny Repoblika mahaleo tena an’i Madagasika­ra, izay noforonin’ny minisitra miandraikitra ny any ivelany any Frantsa, ny 1 oktobra 1951.

Mazava ny fehinkevitry ny ONU

Manoloana ny fandavan’ny Frantsay hamerina ireo Nosy ireo tamin’ny fifanaraham-piaraha-miasa 1973, nampiakatra ny raharaha tany amin’ny Firenena mikambana (ONU) i Madagasikara. Ta­min’ ny 1976, nandefa telegrama tany amin’ny Sekretera je­ne­ralin’ny ONU, i Kurt Wal­dheim, ny minisitry ny Rahara­ham-bahiny, hanamafisana ny fiandrianam-pirenen’i Madagasi­ka­ra amin’ireo Nosy ireo. Ta­min’ny 1979, nanoro he­vitra ny hamerenan’i Fran­tsa amin’i Madagasikara azy ireo ny ONU. Tamin’ny 12 no­vambra 1979 no nangatahin’i Madaga­sikara ny hanontaniana mom­ba ireo Nosy malagasy manodidina ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny fivoriamben’ ny ONU faha-34, izay handray fanapahan-kevitra roa lehibe ho an’ny adihevitra momba ny lalàna malagasy.
Nandray ny fanapahan-kevitra ny fivoriamben’ny ONU 34/91 ny 12 desambra 1979, nampahatsiahy ny fanapahan-kevitra 1514 (XV) nanamafy ny zon’ny fanjanahantany. Fa­nampin’izany, nanamafy ny tokony hanajana ny firaisam-pirenena sy ny fahamarinan-toeran’ny tany nozanahina rehefa nahazo ny fahaleovantenany. Teo koa ny fanasana ny governemanta frantsay, ha­nomboka ny fifampiraharahana tsy misy hatak’andro amin’ny fanjakana malagasy hamerenana ireo nosy tafasaraka amin’i Madagasikara ireo. Nohamafisin’ny fanapahan-kevitra 35/123 ny 11 de­sambra 1980 io fanapahan-kevitra 1979 io.

Mitohy ny fitakiana

Tamin’ny mey 2019, ny filoha frantsay, i Emmanuel Macron, naneho ny fahavononany amin’ny fifampidinihana hisian’ny vahaolana iraisana. Amin’ny fametrahana vaomiera iaraha-miasa amin’i Mada­gasikara izany. Ny 19 novambra 2019, nisy ny diniky ny de­legasiona roa teny Andafiava­ratra. Nandrasana ny hisian’ny fifanarahana amin’ny volana jona 2020, ny datin’ny faha-60 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara.
Tamin’ny 21 mey 2020, de­piote malagasy 60 eo ho eo no niantso ny fanelanelan’ny Vondrona afrikanina (UA) sy ny Sadc tamin’ny fifampidinihana teo amin’i Frantsa sy i Ma­dagasikara. Tamin’ny 26 jona 2020, nanao sonia ny fanambarana manohana ny fangatahan’i Madagasikara ny mpikambana ao amin’ny Sadc: i Angola, i Botswana, i Kaomo­ro, i Lesotho, i Malawi, i Mao­risy, i Mozambika, i Na­mibia, ny Repoblika demokratikan’i Congo (RDC), i Sey­chel­les, i Estwatini, i Afrika Atsi­mo, i Tan­zania sy i Zam­bia ary i Zimbabowe.
Tamin’ny 23 avrily 2025, nanao fanambarana iombonana i Frantsa sy i Madagasi­ka­ra fa hivory amin’ny 30 jona 2025 hitady vahaolana am-pilaminana amin’ny disadisa. Nilaza ny filoha Emmanuel Macron fa ny endrika fiaraha-mitantana amin’i Madagasika­ra no tiany, fa tsy ny famerenana amin’ny laoniny. Ny 5 mey 2025, nilaza ny filoha malagasy, Rajoelina Andry, mankasitraka ny va­hao­lana maharitra. Farany teo ny fivoriana faharoan’ny vaomiera iombonan’i Frantsa sy i Mada­gakasikara tany Paris, ny 30 jona, izay nandrosoan’i Ma­da­gasikara fitakiana valo lehibe. Tapaka tamin’izany ny ha­nohizan’ny fifampidinihan’ny vao­miera iombonana aty Ma­dagasikara amin’ny daty mbola hofaritana. Hanao ahoana?

Nanatontosa : R. Nd.

Partager sur: