Tsy ao anatin’ny lisitry ny Ankoay, miatrika ny fampivondronana hiatrehana ny Afrobasket 2025, i Jerry sy i Donovan ary i Johan. Tsy mbola fantatra mazava ny antony fa raha tsiahivina, anisan’ireo mpilalao nandritra ny fifanintsanana nahazoana ny tapakilan’ny Afrobasket i Jerry sy i Johan.
Nanomboka ny alatsinainy 7 jolay lasa teo ny “Stage Sportif des vacances” karakarain’ny ANS (Académie Nationale du Sport), eny Ampefiloha. Fotoana hahafahan’ny ankizy sy tanora manao fanatanjahantena mandritra ny fialantsasatra ity fandaharanasa ity ary haharitra 5 andro izany raha ny fandaharam-potoana.
Handeha mivantana amin’ny TVM, ny lalaon’ny ekipam-pirenena malagasy, mandritra ny Chan 2025, izay hatao any Tanzanie, ny 3 – 30 aogositra ho avy izao. Ny alahady 3 aogositra ho avy io, hifanandrina amin’i Mauritanie, ny Barea. Tsara ny mampahatsiahy fa ao amin’ny vondrona B no misy ny Barea A’.




