« Mondial La Marseillaise à Pétanque »  : Tompondaka ny ekipa voafantin’ny Malagasy

Nahazo ny laharana voalohany ! Voahosotra ho tompondaka, ny fifaninanana tsipy kanetibe, “Mondial La Mar­seil­laise à Pétanque”, izay natao tany France, ny ekipa malagasy misy an-dry Rako­toarisoa Yves Sédrick sy Raza­nadr­a­koto Tiana Laurens ary Rako­toarisoa Lova. Lavon’izy ireo tamin’ny isa, 13 no ho 10 ny ekipa voafantina frantsay, misy an-dry Philippe Quintais sy i Philippe Suchaud, ary i Jean Claude Jouffre, omaly. Tsiahivina fa ireo frantsay ireo, tompondaka farany tamin’ity fifanintsanana ity.
Raha hiverenana kely ny fifanandrinana omaly, nanjakan’ny Malagasy tanteraka ny “mène” enina voalohany. Ni­ta­rika 7 no ho 0, ny Malagasy tamin’izany. Teo amin’ny fahafito vao, nanomboka nitoko iray ry zareo mpampiantrano. Taorian’io, samy niakatra ny isa teo amin’ny andaniny sy ankilany. Teo amin’ny “mène” faha-20 vao tafavoaka mpan­dresy tamin’ny isa 13 no ho 10 ny Malagasy mpilalao. Ekipa vahiny voalohany nandrombaka ity fifaninanana ity ny mala­gasy.

Mahazo lelavola 4500 euros avy
Araka ny fikarohana natao, omaly, hahazo lelavola 4500 euros na 22 500 000 Ar avy ireo Malagasy mpilalao ireo, noho ny fahombiazan’izy ireo tamin’ity fifanintsanana any France ity. Mahazo 1 800 euros avy kosa ireo izay tafiditra amin’ny manasa-dalana ary 1 000 euros avy kosa ny an’ireo, nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana. Tsiahivina fa nahintsan-dry Quintais, teo amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana ry Zigle sy ny namany.

F.R

Partager sur: