Hotontosaina ny 2 hatramin’ny 9 aogositra izao any Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja Volley ball, sokajy latsaky ny 16 taona sy latsaky ny 23 taona lahy sy vavy. Ao amin’ny Arena Sport Toamasina no hanaovana ny fifaninanana.
Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra ny “Jamboree National Minibasket” hatao ny 13 jolay hatramin’ny 20 jolay izao, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Ny 14 jolay no hanomboka ny fifaninanana, raha toa ka ny 13 jolay kosa ny fivoriana ara-teknika.
Hotanterahina ny 9 aogositra izao, ao amin’ny Arena Toamasina, ny “Gala International de Kick Boxing”. Fifaninanana eo ambany fiahian’ny Federasionina malagasin’ny kick boxing, karakarain’ny fikambanana misahana ny “Discipline associée Kick Boxing et Muay Thai”, ity fifaninanana andiany faharoa ity.




