Atletisma – Tompondakan’i Afrika «Junior»: Hisolo tena an’i Madagasikara i Steeve sy i Anna

Anisan’ireo firenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny sokajy zandriny i Madagasikara. Atleta mianadahy no hiaro ny anaram-boninahitra amin’izany dia i Steeve sy i Anna. Ankoatra izay, hamonjy ny fivoriamben’ny kaonfederasionina afrikanina ihany koa ny sekretera jeneraly.

Nanainga omaly ny delegasionina malagasin’ ny taranja atletisma. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy «junior», hatao any Lagos Nigeria ny 16 – 20 jolay ho avy izao. Hisolo tena an’i Madagasikara, Andrianjafy Anna sy Raharimihaja Steeve. Hifaninanana eo amin’ny 400 m tsotra sy 400 m misy fefy, i Anna, raha hihazakazaka ny 100 m sy 200 m tsotra kosa i Steeve. Nambaran-dRaherison Dominique, filohan’ ny Federasionina malagasin’ ny atletisma (FMA), tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny kianja Alarobia, ny sabotsy lasa teo, fa izy ireo no nahazo isa be indrindra nandritra ny fitsapana natao. Efa tompondakan’ i Madagasikara rahateo ireto farany. I Anna, efa nahazo ny medaly volamena roa nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023, natao teto Madagasikara. Sambany kosa i Steeve, no hiatrika fihaonana iraisam-pirenena. «Ampy ny fanomanana ary vonona ny tenako na sambany aza vao hiatrika izany. Roa ny tanjoko amin’ity dia ny hamaky ny fe-potoana eto Madagasikara sy ny fe-potoanako manokana. Faharoa, ny hiatrika famaranana ka ny ho tafiditra telo voalohany», hoy i Steeve.
Raha tsiahivina, 10 s 78% ny fe-potoanany teo amin’ny 100 m ary 22 s 85% ho an’ny 200 m. Hiara-dalana amin’izy mianadahy ny sekretera jeneralin’ny federasionina, hiatrika ny kongresin’ny kaonfederasionina afrikanina, izay hotontosaina ny 16 sy 17 jolay ho avy izao. Nisaotra ny fitondram-panjakana ny filohan’ny federasionina noho ny fanampiana 100% ka nahazoana niatrika ity fifaninanana ity. Ankoatra izay, hatao eto Antananarivo ny fifaninanam-pirenena sokajy zandriny ny 22 – 24 aogositra izao, ary ny 29 – 31 aogositra ny sokajy rehetra.

Tompondaka

Partager sur: