Kitra – Ligin’Analamanga : Tafakatra amin’ny D2 Nasionaly ny COSPN

Niova tanana indray ny tompondakan’ny ligin’Analamanga tamin’ity taona ity. Lasan’ny COSPN, ny vola 1 tapitrisa ariary sy ny amboara tamin’izany.

Voahosotra ho tompondakan’ny ligin’Ana­la­man­ga, taranja baolina kitra, ny ekipan’ny COSPN, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny kianja CFFA Iavoloha. La­von’izy ireo, tamin’ny isa, 1 no ho 0, nandritra ny lalao famaranana ny AS Ste Anne, tompondaka farany tamin’ny taona lasa teo. Izy ireto, araka izany, no solontenan’Anala­man­ga, amin’ny fifaninanana Diviziona faharoa nasionaly. Raha hiverenanana kely ny fifanandrinan’ny roa tonta, nifandimbiasana tanteraka ny fifanafihana ho an’ny andaniny sy ny ankilany. Samy tsy nisy nitoko ny klioba roa tonta, tamin’ny fizaram-potoana voalohany.
Teo amin’ny fidirana faharoa, nahatafiditra baolina ny ekipan-dry zareo polisy, rehefa nanao fahadisoana tamin’ny famoaham-baolina ny mpi­andry haraton’ny AS Ste Anne, tany amin’ny faha-10 minitra tsy hiravan’ny lalao. Nifarana tamin’io isa 1 no ho 0, io ny fifanandrinana teny an-toerana, nandresy ny COSPN.
Nilaza ny filohan’ny ligin’ Analamanga, Rakotoarimana­na Henintsoa na i Tôta, fa harenina avokoa ny lesoka rehetra hita tamin’ity taom-pilalaovana ity. Manentana ary manaitra ny tomponandraikitra kosa ny tenany manoloana ireo zavatra ha­taon’ny ekipa any amin’ny faritra, rehefa mandeha ny D2 Nasionaly. “Misy amin’ireo ekipa any amin’ny faritra, manao fifantenana mpilalao entiny miatrika ity fifanintsanana ity, ka sahirana hatrany ny solontenan’Analamanga mifanandrina amin’izy ireo”, hoy ny filohan’ny ligin’Anala­man­ga. Notsiahiviny ihany fa raha fifantenana no ilaina, manana mpilalao maro ny avy eto amin’ny ligin’Analamanga.

F.R

Partager sur: