“World Cola PFL” : Tompondakan’i Madagasikara ny Elgeco Plus

Ela ny ela, nahazo ny anaram-boninahitr’i Madagasi­kara ihany ny ekipan’ny Elgeco Plus. Resin’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 0 ny Cosfa miaramila. Mbola baraingo ny kianja handraisan’ny Elgeco lalao amin’ ny fifanintsanana Afrikanina.

Sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra! Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, « World Cola PFL », ny Elgeco Plus Analamanga, omaly, teny By-Pass. Nomon­tsanin’izy ireo tamin’ny isa mazava, 3 no ho 0, nandritra ny lalao famaranana ity fifaninanam-pirenena ity ny Cosfa miaramila.
Notoloran’ny mpikarakara lelavola 20 tapitrisa Ariary ny ekipa tompondaka tamin’izany. Tsy nahazo vola kosa ny laharana faharoa. Raha hiverenana kely ny fifanandrinana teny an-toerana, nifandimbiasana ny fifanafihana teo amin’ny roa tonta, tao anatin’ny 13 minitra nilalaovana. Ny minitra faha-14, nanakobana ny haraton-dry zareo miaramila, i Ismael, lohalaharan’ny Elgeco Plus, rehefa nahazo tolotra avy any amin’i Jessy, hirakirakin’ny Elgeco Plus. Taorian’io, niezaka nanafika nanasahala ny isa ihany ry Kaela sy ry Toky, saingy tsy tafavoaka teo anatrehan-dry Tony, kapitenin’ireto ekipan’Analamanga ireto. Io isa 1 no ho 0, io nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Nandritra ny fidirana faharoa, mbola nampiseho ny maha ekipa goavana azy ny Elgeco. Porofon’izany ny baolina matin’i Mamisoa, ny minitra faha-53 sy ny « Penalty » novonoin’i Zolah, rehefa nanao fahadisoana ny vodilaharan’ny Cosfa. Lasa 3 no ho 0, ny fiafaran’ny lalao, nandresy ny Elgeco Plus.

Kianja amin’ny Ligue des Champions Caf ?

Mbola baraingo hatreto, ny resaka kianja ahafahan’ny Elgeco plus mampiatrano ny lalaon’izy ireo, mandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika « Ligue des Champions Caf ». Tsiahivina fa tsy manana kianja nahazo fankatoavana avy amin’ny Caf i Madagasikara. Tamin’ny taona lasa, voatery nindrana kianja tany ivelany ny Elgeco Plus sy ny Disciples FC, raha nandeha nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ny fifanintsanana afrikanina.

Fitia Randria

Mety hanao pao-droa ny Elgeco Plus

Efa an-dalana ny hanao pao-droa amin’ity taom-pilalaovana ity ny Elgeco Plus. Raha tsy misy ny fiovana farany, ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Elgeco Plus, By-Pass. Hiady ny amboaran’i Madagasikara, amin’ny Yas Coupe de Madagascar izy ireo. Ny ekipan’ny AS Fanalamanga no hifanandrina amin’izy ireo amin’ny lalao famarananan’ny amboara nasionaly.
Klioba roa samy manana herijika ny handrombaka ity amboara ity ireto klioba roa ireto. Ary efa fantatra mazava taorian’iny fandresen’ny Elgeco plus iny, fa ny AS Fanala­manga, hiaro ny voninahi-pirenena mandritra ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasionina Afrikanina, CCAF.

 

HOY IZY IREO

Randriamanampisoa Tony, vodilaharana sady kapitenin’ny Elgeco Plus

“Tena mpilalao mendrika i Ismael, ary lohalaharana tena manakorontana izy, sady manam-batana. Raha fehezina, anisan’ireo lohalaharana mahafeno fepetra ho an’ity klioba anay ity i Ismael. Ankoatra izay, hitanay fa somary mafy ihany ilay dingana natrehanay tamin’ity taom-pilalaovana ity, ny hitako tombony tamin’ity fotsiny, ny firaisankina hananay, sy ny herintsaina entinay miatrika ilay fifaninanana”.
Rafanomezantsoa Oelison na ny Coach Careca, mpanazatra ny Elgeco Plus

“Manana tombony be izahay manana an’i Ismael. Hita mbola lesoka amin’ny fifaninanana aty Madagasikara ny resaka mpilalao mpampidi-baolina… Hiezaka haka mpilalao hafa izahay, amin’io fifanintsanana any Afrika io, satria tsy mora ny miatrika izany, ary betsaka ny fanamboarana tokony hatao ao anatin’ity klioba ity”.

Ismael, kameroney lohalaharan’ny Elgeco Plus

“Tena faly aho satria, ny filohan’ny klioba, efa ela no naniry ny hahazo ity fifaninanam-pirenena ity. Tsy vitako izaho samirery nefa izany, fa hisaorako avokoa ireo mpilalao rehetra sy ny mpanazatra ary ny ekipa tamin’izao dingana lehibe vitanay izao. Mbola vonona ny hanome ny tsara indrindra avy amiko moa aho, amin’ny fifanintsanana afrikanina”.

Partager sur: