Karate-Afrika : Hanainga ny 20 jolay izao ny Malagasy

Ao anatin’ny fanomanana tanteraka amin’izao fotoana izao, ny Malagasy mpikatroka hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Cadet, Junior ary Senior, izay hatao any Nizeria, ny 22 hatramin’ny 27 jolay izao. Ny alahady 20 jolay izao kosa no hanainga eto an-tanindrazana, ny delegasionina malagasy, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federa­sionina ny Karate-do Malagasy (FKM), Ratefinanahary Emile. Mahakasika ny isa, miandry ny fahavitan’ny Visa izay efa andrasana afaka andro vitsy sisa, ny isan’ny delegasionina ho any Nizeria. Tsy tokony hisy ny ahina, hoy ny filohan’ny FKM fa efa fanamby napetraka ny fandehanan’i Madagasi­kara hiatrika ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika hatao any Nizeria ity. Ho hampahafantarina amin’ity herinandro ity izay lisitry ny delegasionina malagasy izay. Tsiahivina fa 17 mianadahy no voatily handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy ary niatrika ny fampivondronana mikaton-trano. Hitarika ny delega­sioni­na malagasy kosa ny filohan’ny FKM, Ratefinanahary Emile, izay hiatrika ny fivoriambe sy ny fifidianana eo anivon’ny karate-do Afrika. Hisy ihany koa ny mpanazatra sy ny mpitsara hiaraka amin’izy ireo.

Mi.Raz

Partager sur: