Kitra –« Mada Tour » : Hitily mpilalao manerana ny faritra ny Disciples FC

Efa nanomboka ny alahady lasa teo, tany Moramanga, ny hetsika “Mada Tour”, izay tontosain’ny Disciples FC Va­ki­nan­karatra. Tanjona amin’ity hetsika ity ny hitiliana mpilalao izay hanatevina ny ekipan’ny Disciples FC. Araka ny fanazavana nomen’ny filohan’ny klioba, Johny Rijaniaina. Nahi­ta le­soka tanteraka ny klioba indrindra teo amin’ny fanomanana raha ny nambarany. “Nahatsa­pa izahay fa ratsy ny vokatra azo tamin’ity taom-pilalaovana ity, ka izay no antony nanaovana ity karazan-dalao fitetezam-paritra ity, ankoatra ny fitsirihana mpilalao”, hoy i Johny Rijaniaina, mpitantana ny Disciples FC.
Aorian’ny faritr’i Moraman­ga, hiitatra ho any Ambaton­dra­zaka ny klioba, ny 20 jolay ho avy io. Ny 26 – 27 jolay kosa, hisitaka ho any Bricka­ville sy Toamasina indray izy ireo. Re­hefa vita izany, hiverina eto Anta­nanarivo ireo tomponandraikitra. Hisy ny fihaonana ha­taon’izy ireo any amin’ ireo faritra Atsimo, any Fiana­ran­tsoa ary Vakinankaratra.
Nomarihan’ny lehiben’ny klioba, fa maro ny manan-talenta eto Madagasikara, fa rehefa mahafeno ilay fepetra takin’izy ireo ilay mpilalao dia alainy. Tsara ny mampatsiahy fa ny Disciples FC, voahosotra ho tompondakan’i Madagasi­kara, ny taona 2024 lasa teo, ary efa niatrika ny fifanintsanana Afrikanina, LDC Caf. Tamin’ity taom-pilalaovana ity, lavo teo amin’ny ampahefa-dalana ireto mpilalaon’i Vaki­nan­karatra ireto, nandritra ny fifaninanam-pirenena World Cola PFL. Nihintsana teo amin’ny 1/16 dalana kosa izy ireo tamin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara.

Fitia Randria

Partager sur: