Tsipy kanetibe – «Masters 2025»: Nosoloina an’i Yves Cédrick i Tinakely

Hiditra amin’ny dingana faharoa ny fiadiana ny “Masters 2025”, anio talata. Vonona avokoa ireo ekipa miisa 7 hiady lohany amin’izany. Anisan’ireo hiatrika izany ny ekipa malagasy. Nanolo mpilalao anefa ny mpanazatra ka nosoloina an’i Yves Cédrick i Tianakely.

Hotanterahina anio ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, eo amin’ny tsipy kanetibe. Hampiantrano izany, i Soustons. Samy nanomana mafy ny ekipany ny tsirairay. Raha ho an’i Madagasikara, nanova ny firafitry ny mpilalao ny mpanazatra. Naka ny toeran’i Tianakely indray i Yves Cédrick. Araka izany, i Zigle sy i Balôty ary i Yves indray izany no hijoro amin’ity. Yves izay vao avy nandrombaka ny « Mondial La Marseillaise » ka mbola ao anatin’ny tanjany tanteraka.
Tsiahivina fa i Madagasi­ka­ra no nandrombaka ny dingana voalohany, tamin’ity «Masters 2025» ity ary manana isa 10. Faharoa, ny ekipa Wild Card, ahitana an’i Desport sy i Jackel ary i Delahaye. Izy ireo no resin-dry Zigle teo amin’ny famaranana nandritra ny dingana voalohany tao St Gilles Croix de Vie. Nahazo isa 7 ireo ekipa ireo. Fahatelo, ny ekipa Bonetto, miaraka amin’i Cousin sy i Montoro, nahazo isa 5. Mitovy laharana sy isa amin’izy ireo i Riviera sy i Baudino ary i Hatchadourian.
Any amin’ny laharana fa­hadimy, ny ekipan’i France misy an’i Dylan Rocher sy i Feltain ary i Doerr, manana isa 2. Toy izany koa ry zareo Italianina, tarihin’i Diego Rizzi, tompondaka maneran-tany 2024 sy i Cometto ary i Chiapel­lo. Laharana fahafito, ny ekipan’ilay Malagasy, Andriantseheno Christian (Racl) sy Helfrick ary i Magny. Tsy mbola manana isa aloha izy ireo satria indroa resy ta­min’ny dingana voalohany.
Niadiana omaly kosa ny toeran’ny ekipa fahavalo ka ireo mpilalao ao Soustons no nahazo izany. Arahin’ireo mpanao gazety any an-toerana sy ireo mpankafy fatratra ny lalao ataon’ny Malagasy, izay heverina ho anisan’ny ekipa andrarezina amin’ity “Masters 2025” ity.

Tompondaka

Partager sur: