Tafiditra ao anatin’ny mpikambana mandrafitra ny Kaomity misahana ny taranja Muay Thai eto amin’ny ranomasimbe indianina ny Malagasy telo. Tontosa tany Maorisy izany ny faran’ny herinandro teo.
Vaovao mahafaly ny fahavitan’ny fananganana ny Kaomity misahana ny taranja Muay Thai eto amin’ny ranomasimbe indianina, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra ao anatin’ny birao mandrafitra izany ny Malagasy. Tany Maorisy no nanatanterahana ity fivoriana ity izay finiavana avy amin’ny federasionina maro eto anivon’ny Ranomasimbe indianina, nahitana an’i La Réunion, Maurice, Madagasikara ary Mayotte. Araka izany, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny Muay Thai, Rakotoalizao Hainatiana Gervais no neken’ny rehetra ho filoha lefitra, raha toa ka i James Gates (Maurice) no filoha. Razanajatovo Carine kosa no mpitambola ary ny Maître Razanajatovo Gildas no anisan’ny misahana ny teknika na ny Tale Teknika. Efa vita ny taratasy rehetra mahakasika ny fananganana izao Kaomity izao ary efa nalefa tany amin’ny federasionina iraisam-pirenena ny Muay Thai, ka andrasana ny fankatoavana izany. Notsiahivin’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny Muay Thai fa efa ela no naniry ny hisian’ny Kaomity eo amin’ity taranja ity izy ireo ary izao notanterahina izao. Tanjona ny hahafahana mifampizara sy hikarakarana fifaninanana goavana eto anivon’ny Ranomasimbe indianina. Efa misy sahady ny fandaharam-potoana tapaka ny amin’izay. Hisy ny fifaninanana hiadiana “ceinture” iray ho an’ny Ranomasimbe indianina sy “ceinture” 2 ho an’i Afrika, izay hatao ny 23 aogositra izao any Maorisy. Ankoatra ny fananganana ity Kaomity ity, fifampizarana maro no azo tany Maorisy, toy ny seminera, fiofanana ary fifaninanana. Anisan’ny niatrika ny fifaninanana niadiana “ceinture” ny Malagasy mpikatroka -60kg, i Frédérico. Resy izy tamin’izany noho ny tsy fahampiana kely teo amin’ny lafiny teknika izay mila hotsaraina hatrany.
Mi.Raz




