Vita ny fitaovana ahafahana manafana ny dobo filomanosana eny amin’ny ANS Ampefiloha. Efa azon’ny mpilomano atao, araka izany, ny milomano eny an-toerana amin’izao andro ririnina izao.
Mandeha ny resaka fa manana vina ny hanova ny anaran’ny baolina kitra ho lasa « Football » fa tsy “Soccer”, ny filoham-pirenena Amerikanina ao Etazonia, Donald Trump. Araka ny fikarohana natao, naharesy lahatra ity filoha ity, ny fikarakarana ny Mondial des Clubs izay natao tao Etazonia farany teo.
Araka ny fikarohana natao omaly, lasa mpilalao vaovaon’ny Real Madrid, Espagne, i Alvaro Carreras, espaniola vodilaharana. Miezaka manavao ireo mpilalaony ny Real Madrid, ary mametraka tanjona ambony hatrany izy ireo, ny handrombahana ny amboara rehetra amin’ny taom-pilalaovana manaraka eo.




