Taranja Rugby malagasy : Mitrandraka mpilalao vaovao ny klioba Uscar

Notontosaina nanomboka omaly, tetsy Alarobia, ny fifantenana mpilalao izay hanatevana ny klioba rugby eo anivon’ ny kaominina, Uscar. Araka ny nambaran’ny filoha vaovaon’ ny klioba, Ramanoelina Heri­laza na i Lesabotsy, tanjon’izy ireo amin’ity hetsika ity ny ho lasa tompondakan’i Madaga­sikara, amin’ny taom-pilalaovana ho avy io.
Tsiahivina, ny taona 2010 no tompondakan’i Madagasi­kara farany ny Uscar. Laha­rana fahatelon’ny fifaninanam-pirenena “XXL Top 12” izy ireo ny taona lasa teo. “Ao anatin’ ny fanamboarana ny Uscar amin’izao fotoana izao. Mitily mpilalao izahay, ary mijery ireo vaovao hanatevina ireo tranainy. Misy amin’ireo efa tao kosa no hajanona”, hoy ny filohan’ny klioba, Ramanoe­lina Herilaza na i Lesabotsy.
Fanindroany amin’ity ny klioba nanao izao hetsika izao. Ny taona 2006, nisy an’izany voalohany ary niatrika izany andrana izany i Lesabo­tsy vao lasa mpilalao Uscar. Araka ny fanazavana nomeny ihany, rehefa voafantina ireo mpilalao vaovao, hatao mpianatra asa eo anivon’ny Kao­minina aloha, ary rehefa ma­haritra ao izy vao hatao mpiasa raikitra.
Nanana ny lazany teo amin’ ity tontolon’ny rugby ity i Lesa­botsy, ary ny tena nahafantarana azy ny tao amin’ity klioba Uscar ity. Anisan’ireo mpilalao nandrafitra ny Makis 2012, nandritra ny “Can Rugby 2012”, izay natao teto Madagasikara ny tenany. Nanome sehatra ho an’ireo zandriny izy ny taona 2013.
15 taona aty aoriana, na­verina ho mpanazatra ny klioban’ny Uscar indray i Berthin Zoto, Malagasy teknisianina nitondra ny Makis tamin’ny taona 2012. “Hanova fomba fiasa izahay eto anivon’ny
klioba, ary manana tanjona ambony, mba ho lasa tompondakan’i Madagasikara amin’ity taona ity. Ilana rafitra tsara sy mazava izany. Betsaka amin’ ireo mpilalaon’ny Uscar, efa mahazo taona, ka izay no nanaovana ity fitiliana ity”, hoy ny Coach Berthin Zoto.

Fitia Randria

Partager sur: