Baolina kitra : Manana hatramin’ny 31 jolay ny FMF

Nomen’ny Kaonfederasionina afrikanina baolina kitra (Caf) fanemoram-potoana ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra FMF, amin’ny fandefasana ny anaran’ireo ekipa roa hiatrika ny fifaninanana afrikanina, ho an’ny taom-pilalaovana 2025. Raha tokony ho efa nifarana ny 30 jona lasa teo izany, manana hatramin’ny 31 jolay ny Malagasy. Tsiahivina fa vao ny fiadiana ny ho tompondaka no tontosa ka efa fantatra fa ny ekipan’ny Elgeco Plus no hiatrika ny “Ligue des champions” amin’ity.
Andrasana amin’ny alahady ho avy izao kosa izay ho tompon’ny amboara. Hiady izany tapakila izany ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga. Na inona na inona vokatra eo, efa ny AS Fanalamanga no hisolo tena an’i Madagasikara eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf. Raha manao pao-droa ny Elgeco Plus, tsy maintsy omena ny ekipan’Alaotra Mangoro ny tapakilan’ny amboara. Tsiahivina fa noho ny fahateren’ny fotoana, tamin’ny fiatrehan’ny Barea de Madagascar ny fifanintsanana samihafa no antony tsy nahavitana ara-potoana ny fifaninanam-pirenena, tamin’ity.

Tompondaka

Partager sur: