Hanao fitsapam-pahaizana amin’ny ekipa voafantin’i Bongolava, any Tsiroanomandidy, ny sabotsy 19 jolay ho avy izao, ny Barea de Madagascar A’. Hivoaka amin’ny herinandro ho avy io ny lisitry ny mpilalao.
Afaka iray volana sy tapany, izany hoe, ny 2 aogositra ho avy izao, hiatrika ny fifanintsanana afrikanina ho an’ireo firenena tsy mampiasa mpilaravinahitra, na ny “Chan” 2024, i Madagasikara. Ho fiatrehana izany, hanao lalao ara-pirahalahiana any Tsiroanomandidy, ny 19 jolay ho avy izao, amin’ny ekipa voafantin’i Bongolava, ny Barea de Madagascar, izay tarihan’ny mpanazatra Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô.
“Rehefa avy manomana fifaninanana tahaka izao, ilaina hatrany ny manao lalao ara-pirahalahiana mba hahafahana mampihatra sy mijery hoe tafavoakan’ireo mpilalao ve ilay taktika sy teknika efa nianarana hatramin’izay”, hoy ny Coach Rôrô. Notsiahivin’ity mpanazatra ity fa nanomboka ny 3 jolay teo ny Barea no niatrika ny fanomanana. Raha tsy misy ny fiovana farany, hanainga ny 28 jolay ho avy izao, hiatrika ny fifanintsanana “Chan” 2024, any Tanzania, ny Barea. Amin’ny herinandro ho avy io koa, hivoaka ny lisitr’ireo mpilalao ofisialy handrafitra ny ekipa nasionaly. Fanamby lehibe no miandry ny Barea amin’ity. Nandritra ny Chan farany teo, nahazo ny laharana fahatelo ny Barea.
Tsara ny mampahatsiahy fa ao amin’ny vondrona “B”, misy ny Barea, ary hifandimby hifanandrina amin’izy ireo, i Mauritanie, Tanzanie, Burkina Faso ary i Centrafrique.
Fitia Randria




