Taorian’ny dingana roa efa tontosa ho an’ny “Slalom” sy ny “Course de côte”, namoaka ny filaharana vonjimaika an’ireo mpanamory tao amin’ny tranokalam-pifandraisany, omaly, ny Federasionina sport automobile malagasy (FSam). Raha ho an’ny 2 Roues Motrices, mitarika i Juan, mitondra ny Renault Clio, manana isa 50. Nahazo isa 25 nandritra ny slalom TFM ary 25 ihany koa teo amin’ny MSA.
Manaraka azy, i Fred, amin’ny Peugeot 306, nahazo isa 33. Isa 18 tamin’ny dingana voalohany ary 15 teo amin’ny faharoa. Mitovy isa aminy eo amin’ny laharana fahatelo, i Olivier sy ny Citroen C2. Nanana isa 15 teo amin’ny slalom voalohany ary 18 teo amin’ny faharoa. Mbola ady mangotraka, araka izany, ny an’i Fred sy i Olivier amin’ny fifaninanana manaraka.
Ho an’ny “Cross car”, voalohany i Fafan’n, nahazo isa 43, faharoa i Joujou, isa 37, ary fahatelo i Bouboul, manana isa 30. Isa 30 ihany koa ny an-dRapa, mitazona ny laharana fahefatra. Eo amin’ny fiara 4RM T2 indray, voalohany i Faniry sy ny Peugeot 208, manana isa 25 ary faharoa i Mika rahalahiny, miaraka amin’ny Mitsubishi EVO, isa 18. Eo amin’ny fiara 2RM sokajy vehivavy, lohalaharana i Hendry, mitondra Citroen Saxo, manana isa 50 arahin’i Ritchianah sy ny Peugeot 106, isa 36. Dingana manaraka ho an’ny mpifaninana ny Slalom Tacs, hatao ny 26 sy 27 jolay ho avy izao.
Tompondaka




