Efa mamarana ny fifaninanana rezionaly avokoa amin’izao fotoana izao ny mpifaninana hiatrika ny fifaninanana nasionaly Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), taona 2025. Nambaran’ny filohany, Andrianarison Jean Aimé na i Jhone Love, fa tsy maintsy miatrika rezionaly avokoa ny mpandray anjara rehetra mialoha ny hiatrehana ny nasionaly. Efa tafakatra 15 000 hatreto izay mpandray anjara hiatrika ny fifaninanana nasionaly izay hatao any Mahajanga, ny 1 hatramin’ny 15 aogositra izay. Nohamafisin’ity filoha ity ihany koa fa ampy tsara ny fotodrafitrasa handraisana ny fifaninanana any Mahajanga ary miahy ny Asief 2025 ny Praiminisitra, izay notolorany fisaorana manokana.
Tsiahivina, natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny alarobia lasa teo, ny famaranana rezionaly ho an’Analamanga, teo amin’ny taranja basikety sy volley-ball. Anio kosa no hanaovana ny famaranana eo amin’ny taranja baolina kitra, eny amin’ny Kianja Betongolo.
Mi. Raz




