“Coupe Internationale de Tanà” : Nahomby ny Klioban’ny Tekado

Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny fifaninanana “Coupe internationale de Tanà”, taranja karate, natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny klioban’ny Tekado. Klioba manana ny maha izy azy ary anisan’ny nasain’ny mpikarakara. Fahombiazana no azo ilazana ny vokatra azon’ireo mpikatroka nisolo tena ity klioba ity, izay nampiseho ny fahaiza-manaony tanteraka.
Raha hiverenana izay vokatra izay, nahazo medaly volamena, teo amin’ny Kata Minime, Randrianarivony Mathieu, izay nampiseho ny fahaizany tanteraka. Teo iha­ny koa, Randrianarivony Mi­angola, izay nahazo ny medaly volamena ihany koa, teo amin’ny Kata Poussine. An­koatra izay, laharana fahatelo ka nahazo ny medaly alimo, Rajaonary Raphaël, teo amin’ny Kata Benjamin. Tsara ny fanomanana ary efa zatra miatrika fifaninanana iraisam-pirenena ireto ankizy ireto, ka antoka nahazoana izao vokatra tsara izao izany.

Mi.Raz

Partager sur: