Filankevitry ny minisitra : Tohanana ny atleta hiaro ny voninahi-pirenena

Hotohanan’ny fanjakana amin’ny fiatrehana ireo fifanintsanana iraisam-pirenena maro, ny atleta malagasy mpilalao ny taranja Karate, Ping pong, lomano, ary ny fibatana fonjamby. Tsy mbola tazana ny an’ireo lalao iraisana.

Notontosaina ny alarobia teo, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny filankevitry ny minisitra, izay notarihan’ny filoham-pire­nena, Rajoelina Andry. Tapaka tamin’izany fa hotohanana ireo atleta miatrika fifanintsanana iraisam-pirenena amin’ ny taranja efatra. Anisan’izany ny lomano, ny tenisy ambony latabatra “Ping pong”, ny fibatana fonjamby ary ny karate.
Natao ho mariky ny fanohanana tsy tapaka ny tanora sy ny fanatanjahantena mala­gasy izany. Efa fanambin’ny Filoha rahateo ny hanohana ireo atleta, izay mitondra avo ny fiandrianam-pirenena. Hita manatanteraka ny fanamby ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Mous­tapha Marson Abdulah.
Tsara ny mampahafantatra fa ny malagasy mpilomano izay hiatrika ny fifaninanana ho tompondaka maneran-tany, any Singapour, ny 27 jolay hatramin’ny 3 aogositra ho avy izao. Ny Malagasy mpilalao Ping pong kosa hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, ny 27 jolay hatramin’ny 5 aogositra.
Ireo atleta mpibata fon­jamby eto Madagasikara in­dray handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika izay hotanterahina any Ghana, ny 15 -22 aogositra. Farany, hifanintsana amin’ilay lalao afrikanina, amin’ny “Union des fédérations afri­caines de Karate (Ufak)”, ho an’ny sokajy Cadets, Juniors, Seniors, any Nigeria, ny 21 – 27 jolay ho avy izao, ny mala­gasy.
Lalao iraisana …

Ankoatra izay, hiatrika fifanintsanana avo ihany koa ireo atleta manao ny lalao iraisana, toy ny baolina kitra, ny Barea; ny basikety, ny Ankoay. Am­pa­hafantarina ihany fa ny Barea, hifanintsana amin’ny “Chan 2024”, izay hotanterahina any Tanzanie, Kenya ary Ouganda, ny 2 – 30 aogositra ho avy io. Ny Ankoay, handray anjara amin’ny Afrobasket 2025, any Angola, ny 12 – 24 aogositra ho avy izao.

Fitia Randria

Partager sur: