Fikambanana miisa 292: “Mila saziana ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fifidianana”

Namaly ny antson’ny Ceni amin’ny fakan-kevitra manoloana ny lalàna mifehy ny fifidianana ny fiarahamonim-pirenena. Nitondra ny heviny manoloana izany izy ireo.

“Apetraka ny sazy momba ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny famatsiam-bola ny fampielezan-kevitra. Anisan’izany ny tsy fanaterana tatitra ara-bola. Mety hitarika ny fandrarana ny firotsahana amin’ny fifidianana manaraka sy fanafoanana ny voka-pifidianana izany”. Io, ohatra, no anisan’ny fanambaran’ny fikambanana fiarahamonina sivily 292 avy eto an-toerana avy amin’ny faritra Ranomasimba Indianina-Afrika, teny Ambatonakanga, omaly, manoloana ny fiantsoan’ny Ceni ireo mpisehatra amin’ny fifidianana hanolo-kevitra amin’ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana. Eo koa ny hoe omena fahefana ny Ceni amin’ny famerana ny vola fandraisana anjara amin’ny fanontana biletà tokana, araka ireo fepetra efa voafaritra sy amin’ny famaritana ny datim-pifidianana.

Fanokafana kaonty ho an’ireo kandidà
Momba ny fanaraha-maso ny famatsiam-bola amin’ny fampielezan-kevitra, hamoraina sy terena ny fanokafana kaonty amin’ny banky ho an’ny kandidà rehetra mba hahazoana antoka ny mangarahara. Ferana ny fandaniana mandritra ny fampielezan-kevitra. Ao anatin’izany ny fandrarana ny karazana fandaniana sasany: fandraisana mpanakanto, fizarana fitaovana be loatra, fizaram-bola tsy misy fepetra… Ampidirina amin’ny fepetra fahazoana mirotsa-kofidina ny fanolorana vinavinan-tetibola momba ny fampielezan-kevitra izay ma­na­zava ny vola manontolo ilaina sy ny loharanon’ny famatsiam-bola. Ferana maza­va ny fe-potoana sy ny fitsipika mifehy ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Ferana koa ny sazy ho an’ireo mandika izany.
Ambaran’izy ireo fa fametrahana lalàm-pifidianana matanjaka sy mafy orina miaraka amin’ny fampiharana hentitra no fototra iorenan’ny fanatsarana ara-drafitra sy ara-piarahamonina eto amin’ny firenena.

 

R. Nd.

Partager sur: