Rugby – «Awards Trophy» : Notolorana amboara ireo mendrika

Natao tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, omaly, ny fanolorana amboara ireo mendrika «Awards Trophy» ho an’ny kaomisionina Analamanga Rugby. Ity rafitra ity izay nisahana ny fiadiana ny ho tompondaka noho ny tsy mbola fisian’ny seksionina. Raha tsiahivina, nanomboka ny 5 oktobra 2024 ny fifaninanana ary nifarana ny 13 avrily 2025. 40 ireo fileovana nandray anjara ary lalao 80 no tontosa nandritra ny dingana fifanintsanana. Teo koa ny lalao miisa 16 ho an’ny dingana famaranana sy ny fihaonana hafa ka 102 ny tontaliny. Notsiahivin’i Mamihaga, filohany, fa nisy ny fiaraha-miasa tamin’ireo seksionina 5 nahatontosana izany. Nisaotra ny kaomisionina Analamanga ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel, noho ny ezaka nataon’izy ireo. Nambarany fa hiankina amin’ny minisitera ny hanatontosana ny fifidianana. Nanampy sy nanolotra ny fanomezana ny orinasa Dzama, izay naneho ny fahavononany hatrany hiara-kiasa amin’ny tontolon’ny rugby. Tsiahivina fa nahazo amboara avokoa ireo mpandresy sy ny mpitsara mendrika ary ny amboara “Fair-play”.

Tompondaka

Partager sur: