SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina any Toamasina, ny 2 hatramin’ny 9 aogositra izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy latsaky ny 16 taona sy latsaky ny 23 taona, lahy sy vavy. Hitiliana izay hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika any Tonizia, ny 24 hatramin’ny 31 aogositra izao, ny fifaninanana ho an’ny U16, vehivavy.

Efa mandeha eny amin’ny Kianja CFFA Iavoloha, nanomboka omaly, ny fifaninanana ho an’ireo katitakely, «Green Cup League». Maro amin’ireo sekolin’ny baolina kitra eto an-dRenivohitra no mandray anjara amin’izany. Tsiahivina fa tanjona amin’izany ny hampiakarana ny lentan’ireo taninketsan’ny baolina kitra eto Madagasikara.

Notokanana afakomaly, tany Brésil, ny tsangambato mitovy amin’i Vinicus Junior, Brezilianina mpilalao baolina kitra. Araka ny resaka mandeha ihany koa, misy klioba ao Arabia Saodita, vonona ny hanome karama, 1 miliara euros isan-taona ho an’ity mpilalao ity, raha miala ao amin’ny Real Madrid izy ka hifindra any Arabie Saodite.

Partager sur: