Baolina kitra – Yas amboaran’i Madagasikara: Nivoaka ho mpandresy ny Elgeco Plus

Norombahin’ny Elgeco Plus ny Yas amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra. Resin’izy ireo, teo amin’ny famaranana, ny AS Fanalamanga. Pao-droa ity ekipan’Analamanga ity satria efa nahazo ny anarana maha tompondaka ihany koa ry zareo.

8 taona taorian’ny nahazoan’ny Cnaps Sport ny am­boara sy ny tompondaka vao nisy ekipa nanao pao-droa indray. Nahavita izany ny Elgeco Plus, rehefa nandresy ny AS Fanalamanga, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, nandritra ny lalao famaranana niadiana ny Yas amboaran’i Madaga­sikara. Fihaonana notanterahina omaly alahady, tetsy amin’ny Kianja Elgeco Stadium By-Pass. Raha tsiahivina, efa nahazo ny maha tompondaka azy ry zareo, herinandro lasa.
Niady ny fihaonana ary tena mendrika ny endri-dalao nasehon’ny roa tonta. Na­nindry ny AS Fanalamanga teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, ary imbetsaka izy ireo no saika nahatafiditra baolina, saingy tsy hain-dry Gyldas sy ry Legende ny nampiditra izany. Sahirana ny Elgeco Plus nanohitra azy ireo. “Tena nanao ny AS Fanalamanga saingy nitodika taty aminay ny vintana. Sahirana izahay saingy nanantombo teo afovoan’ny kianja. Hain’ireo mpilalaonay ny nanararaotra ilay tandrevaka kely teo amin’ny mpifanandrina”, hoy i Careca, mpanazatra ny Elgeco Plus.
Fizaram-potoana faharoa, nanomboka nanafika ny Elgeco Plus, ka minitra faha-66, nahatafiditra baolina i Ismael, taorian’ny “corner” nodakan’i Mamisoa. Nisavoritaka tanteraka ny AS Fanalamanga nanomboka teo. Nifangaro ny fahamaikana sy ny fikoropahana ka na tokony hanasahala ny isa aza, tsy tanteraka izany. “Mampalahelo ny ataon’ny mpitsara fa tena mitongilana. Ny mpilalaonay koa tsy nandray ilay toromarika ka iny nivadika ho baolina matin’ny Elgeco Plus iny”, hoy i Raniry, mpanazara ny AS Fanalamanga. Hisolo tena an’i Madagasikara eo amin’ny “Ligue des champions d’Afrique” izany ny Elgeco Plus, raha eo amin’ny amboaran’ny Caf kosa ny AS Fanalamanga.

Tompondaka

Partager sur: