FANTINA sy FINTINA

Maherin’ny 20 ireo fikambanana na antoko politika nahatonga ny tolokevitra ho fanatsarana ny fifidianana, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, ny faran’ny herinandro teo. Efa nifarana ny zoma teo rahateo ny fe-potoana farany ahafahan’ny Ceni mandray izany. Handinika ny momba izany izy ireo mialoha ny fikaonandoham-pirenena amin’ny taona ho avy.
Tsy matoky ary tsy manantena ny Ceni amin’
izao endriny izao ny antoko MMM, araka ny nambaran’ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Hajo, ny herinandro teo. Nambaran’izy ireo fa tsy hita ny Ceni manoloana ireo fanitsiana marobe, tokony ho natao mialoha ny fifidianana filoham-pirenena 2023. Na izany aza, hitondra ny heviny ho fanatsarana izany ihany ny MMM.
Manana fifandraisana ara-tantara i Madagasi­kara sy i Algérie. Nivoitra izany tamin’ny nandraisan’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Ri­chard, ny ambasadaoro alzerianina, Miloud Ben­makhlouf, ny zoma teo, tetsy Anosy. Hohanamafisina izany mba hisian’ny fiaraha-miasa mahomby. Eo koa ny “Jumelage”, tokony hatao.
Tazana teny amin’ny fiombonam-bavaka sy fampaherezana noho ny fahafatesan’olona maro amin’ny “Raharaha Ambohimalaza”, ny zoma teo, ireo mpanohitra. Anisan’izany ireo depiote avy amin’ny Tiako i Madagasikara, ny mpanao politika avy amin’ny RMDM sy ry Lanto Rakotomavo, Jly Ramakavelo… Nisy ny vavaka sy hira ara-pilazantsara tamin’izany.

Partager sur: