Notanterahina tamin’ny fomba manetriketrika, tao amin’ny Tendrompitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) Mahajanga, ny herinandro teo, ny lanonam-pitsarana nametrahana amin’ny toerany ny lehiben’ny Fampanoavana ambony, Ranorine.
Namelabelatra mazava ity lehiben’ny fampanoavana ambony vao napetraka amin’ny toerana ity ny amin’ireo kinasa sy vina ary koa ny paikady hirosoana amin’ny fanatanterahana ny andraikitra lehibe horaisiny, manomboka izao. “Vonona amin’ny lafiny rehetra izahay hiadiana amin’ny kolikoly. Eo ihany koa ny fanatsarana ny rafitra ara-pitsarana eo anivon’ny Pac, ary ny fametrahana fitokisana azy eo amin’ny asan’ny fampanoavana”, hoy izy tamin’ny lahateniny. Manamarika ny haben’ny andraikitra sahanin’ny fampanoavana ambony, hanamafisana ny lalàna sy hanasaziana ihany koa ireo raharaha kolikoly izany, araka ny nambarany hatrany. “Ady anisan’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana sy ny politikan’ny fitsarana ny kolikoly”, hoy ihany izy.
Tonga nanome voninahitra sy nanatrika ny lanonana ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, sy ny tonia mpampanoa ambony eo anivon’ny Fitsarana tampony, Andriamahavory Christian Paul. Teo koa ny mpandrindra nasionalin’ny Pac, Rivonandrianina Rabarijohn, ary ireo manam-pahefana sy olo-manan-kaja isan-tsokajiny niampy ny avy amin’ireo fiarahamonim-pirenena ao Mahajanga.
Synèse R.




