Ampitifirana Ankatso : Faha-77 taona nitifirana ny Lietnà Randriamaromanana Albert

Notanterahina ny sabotsy 19 jolay 2025, teny amin’ny sahan’Ampitifirana Ankatso, ny hetsi-pahatsiarovana ireo Malagasy mahery fo nitari-tolona tamin’ny hetsi-panafahana 1947-1948.

Feno 77 taona ny nitifirana ireo mahery fo niady ho an’ny fahafahan’i Ma­dagasikara teo ambany ziogan’ny mpanjakana: ny Lietnà Randriamaromanana Albert, Rakotondrabe Samuël, Ra­tsizafy Samuël, Lezoma ary Bekamisy. Nitarika ny lanonana ny minisitry ny Foloa­lindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin araka tamin’ny minisitry ny Fila­minam-bahoaka, ny Contrô­leur général de police, Rako­toarimanana Herilala, ary ny minisitra Delege misahana ny zandarimaria, ny Jly Rako­tondrazaka Andriatsarafara Andriamitovy. Tazana teny an-toerana koa ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, ary ireo tomponandraikitra ambony sivily sy miaramila sy ireo andiany avy amin’ny sekoly maro mitondra ny anaran’ireto mahery fon’ny firenena ireto. Nambaran’ny MFA fa andro manan-danja amin’ny tantaran’ny firenena ny andron’ny 19 jolay izay natokana hahatsiarovana manokana azy dimy mirahalahy.

Tokony ho sahy mijoro isika…

« Midika ho fahavononana sy fahasahiana mandray andraikitra manoloana ny olana lehibe nianjady tamin’ny firenena tamin’izany fotoana izany ny fanoloran-tenan’izy ireo », hoy izy. Nambarany fa adidintsika ankehitriny ny maneho ny fitiavan-tanindrazana nasehon’ireo mpitolona tamin’izany amin’ny fiarovana ny tanindrazana mba tsy hataon’ny olona hafa tsinontsinona ny fiandrianam-pirenentsika. Tokony ho sahy mijoro hatrany isika hampiseho ny hambom-pom-pirenena ao anatintsika, hoentina mampisandratra an’i Madagasikara sy ho fanohizana ny fahafahan’ny firenentsika efa niadivan’ireo razantsika taloha, araka ny nambarany. Nisy ny fametrahana ireo afom-pahatsiarovana hanomezam-boninahitra ireo mahery fon’ny firenena. Nitohy tamin’ny fametrahana fehezam-boninkazo izany, ka anisan’izany ny avy amin’ny Centre d’etude diplomatique et stratégique (CEDS) ary ny andiany Lietnà Randriama­romanana Albert sy ny andiany faha-19 nivoaka tao amin’ny CEDS Androhibe mitondra ny anaran-dRakotondrabe Samuël. Nanatanteraka izany fametrahana fehezam-boninkazo izany koa ny andiany Lietnà Randriamaromanana Albert tao amin’ny sekoly miaramilam-pirenena (Semipi) ao Beravina Fianarantsoa, andiany misy ny MFA.

Jean Claude

Partager sur: