Hatao any amin’ny faritra Ambatosoa indray ny filankevitry ny minisitra ny 25 sy 26 jolay izao. Hotokanana amin’izany ny kianja sy tsena any an-toerana ary ireo fotodrafitrasa maro aorian’izany filankevitry ny minisitra izany. Tsiahivina fa ahitana ny distrikan’i Mananara sy Maroantsetra ny faritra Ambatosoa.
Mitaky ny hamoahana ny marina momba ilay raharaha fanapoizinana teny Ambohimalaza ny vondron’ny mpanohitra, Kolektifa. Tokony hatao izany hanalana ny ahiahin’ireo fianakaviana namoy havana. “Eo koa ny momba ny fanelezana na famoahana vaovao tsy marina sy tsy voaporofo amin’ny tambajotran-tserasera”, hoy izy ireo.
Nandray ny delegasionina indonezianina eo amin’ny vondrom-pifankatiavana parlemantera ny filoha mpisolo toerana eo anivon’ny Antenimiera, Tinoka Roberto, omaly teny Tsimbazaza. Anisan’ny voaresaka ny fiaraha-miasa ahitana vokatra. Ohatra amin’izany ny angovo azo havaozina, efa natomboka any Betafo, ary hitarina amin’ireo faritra hafa.
Nandresy ny demokrasia, araka ny nambaran’ny depiote Ratsiraka Sophie. Nambarany fa faly ny vahoaka raha nitsena sy nametraka ny ben’ny Tanàna vaovao, Marthino, tany Ambodinonoka, Vatomandry. “Voamarina fa izy no mpandresy tamin’ny fifidianana taorian’ny tolona. Mampiseho ny fandresen’ny vahoaka sy ny demokrasia izany”‘, hoy izy.




