Fanehoam-pisaorana sy famerenana ny fahavononan’i Madagasikara amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona afrikanina (UA) mifototra amin’ ny fifampitokisana. Izay no anisan’ny nisongadina tamin’ ny fandraisan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, ny solontena manokan’ny filohan’ny Vaomieran’ny UA sady lehiben’ny Biraom-pifandraisana UA eto Madagasikara, Sem Alice Nzomukunda, teny amin’ny birao fiasany Anosy, omaly. Mamarana ny fotoam-piasany eto Madagasikara ity solontena manokan’ny filohan’ny Vaomieran’ny UA ity. Koa voaresaka tamin’ny fihaonan’ny roa tonta ireo asa nanamarika ny fe-potoam-piasany. Teo, ohatra, ny fanohanana ireo traboina vokatry ny loza voajanahary. Niara-dalana amin’ izany ny fanatanterahana ny tetikasam-paritra fanarenana ny fahavoazana taorian’ny rivodoza. Tsy latsak’izany ny fanomezan-tanana ny zotram-pifidianana tamin’ny taona 2023-2024.
Noderain’ny minisitra Rasata Rafaravavitafika ny firotsahana mitohy nataon’ny Sem Alice Nzomukunda ho amin’ny fandriampahalemana sy ny fifampiresahana ary ny fampandrosoana eto Madagasikara. Zava-dehibe koa ny andraikitry ny Biraon’ny fifandraisana amin’ny UA amin’ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona eoropeanina. Ao anatin’izany ny fifampidinihana akaiky amin’ireo andrimpanjakana sy mpisehatra politika ary fiarahamonina sivily. Nohamafisin’ny minisitra ny fahavononan’i Madagasikara amin’ny fiaraha-miasa mifototra amin’ny fifampitokisana sy ny fanajana ny fiandrianam-pirenena ary ny fikatsahana fiaraha-miasa mahomby amin’ ny UA.
R. Nd.




