Naneho hevitra manoloana ny raharaha nitranga tao Ambohimalaza ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna. Nambarany fa ahodin’ny sasany any amin’ny resaka politika io raharaha io.
Hentitra ny minisitra. “Manodinkodina ny zava-nisy ho resaka politika ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny nefa efa nandray an-tanana ny raharaha ny fitondram-panjakana hatrany am-piandohana”, hoy izy. Notsiahiviny fa efa nandray andraikitra tamin’ireo maty sy ireo marary ny fanjakana ary mbola mitohy izany hatramin’ izao.
“Efa nisy laboratoara roa nanaovana fitiliana nalaina tamin’ireo marary ary efa nalefa eny amin’ny fitsarana ny vokatry ny fanadihadiana. Miezaka manome lanja ny marina sy ny fahamarinana ny fanjakana” hoy ihany izy. Efa mandray andraikitra haingana ny fanjakana tamin’ny fandraisana an-tanana teo amin’ny fitsaboana sy ny fanadihadiana ara-tsiansa ary notohizana tamin’ny famotorana izany. Nanao ezaka lehibe sy feno fahavononana ny mpitsabo, andro aman’alina, ho famonjena aina, araka ny nambarany hatrany.
Miisa 17 ireo efa nivoaka ny hopitaly
Vokany, miisa 17 ireo efa nivoaka ny hopitaly, raha mbola miisa 9 kosa ireo manaraka fitsaboana eny amin’ny toeram-pitsaboana. Iray amin’ izy ireo, arahi-maso manokana noho ny toe-pahasalamany. Niaiky anefa ny minisitra fa teo koa ireo tsy tana intsony. “Miondrika manoloana ny fahabangana ny fitondram-panjakana ary maneho fankaherezana feno ho an’ireo fianakaviana niharam-boina”, hoy izy.
Manoloana izany, miantso fitoniana sy fanajana ny fahamarinana ny fanjakana amin’ izao fotoana izao, araka ny nambarany. Manamafy koa ity mpitondra tenin’ny governemanta ity fa mitohy hatrany ny famotorana sy fanadihadiana amin’ity raharaha lehibe ity. “Tsy misy olona arovana, tsy misy fiviliana amin’ny lalàna ary tokony hatoky ny rafitra ara-pitsaboana sy ara-pitsarana ny vahoaka. Tsy maintsy hivoaka ny marina… Miantso ny rehetra hisitraka vaovao avy amin’ny loharano ofisialy”, hoy izy.
Synèse R.




