Mba mahavariana ilay zava-mitranga amin’izao fotoana izao. Tena misy sokajin’olona manao izay danin’ny kibony amin’ny famotehana ilay fitondram-panjakana. Tsy mba olona ety ivelany akory, fa ny ao anatiny ihany no manao mpamosavy malemy. Tsy takona hafenina ny fahalovana izay miseholany etsy sy eroa. Ny tena zava-doza dia ity firaisankina anatin’ny faharatsiana ity.
Tsy hidirana ny fiainana manokana ataon’ny tsirairay. Tsy mety kosa anefa ny hangina raha zary manakona ny ezaka tsara sy ny fikelezana aina ataon’ny Filohan’ny Repoblika sy ny fitondram-panjakana izany. Na inona asa fampandrosoana misy, na eo aza ny fitetezam-paritra hanasongadinana ny asa natao, tsy maharesy ny raharahan’ Ambohimalaza sy fanapoizinana izany.
Tomponandraikitra ambony iray no hifanotofana ny fanafenana ny anarany sy ny zava-misy marina. Efa tafakatra 31 ny ain’olona nafoy, noho ny poizina mahery vaika. Mbola mahavita mandrirarira ny vaovao sy manodinkodina ny saim-bahoaka hatrany ny sasany. Mivadibadika toa lela may. Hany ka mainka mandrehitra ny afom-pikomiana any am-pon’ireo niaharam-boina, namoy havana sy mbola miady amin’ny fahafatesana.
Tsy misy olona tsy manana fahalemena. Tsy misy olona tsy solafaka fa ny heloka ibaboana hoe mody rariny, hoy ny Ntaolo. Sanatrian’ny vava ka ny fikirizana hiaro-tena no hivadika ho singam-bolo handavo ny vositra. Ny Malagasy izay marefon’ny fahantrana rahateo efa mitady ny fomba hanoherana izay azo toherina. Ny hikoha-maina aza hatao, mainka fa misy ny toe-javamisy tahaka izao.
Mitaky teny midina avy amin’ny Filohan’ny Repoblika ny zava-misy manodidina ity fanapoizinana faobe teny Ambohimalaza ity. Misy olona mamahan-dalitra azy ao ambadimbadika ao, tsy milaza aminy ny marina.
r.r




