Nivoaka ny lalàna vaovao mifehy ny tsena karbôna, araka ny didim-panjakana lah.2025-626. Voakasik’izany ny fitantanana sy ny fivarotana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Milaza ity lalàna vaovao ity, fa « manan-jo handray anjara amin’ny fampihenana ny fiparitahan’ny entona karbôna ny olona na orinasa an’ny fanjakana na tsy miankina eto an-toerana na vahiny. Ao anatin’izany ny fampihenana ny fandripahana ny ala sy ny fiarovana azy, ny fitantanana maharitra ny ala, ny fampitomboana ny tahiry karbôna ka hamerenana amin’ ny laoniny ny endriky ny ala sy ny toerana potika, amin’ny alalan’ny fambolen-kazo ».
Tsiahivina fa nasolo ilay lalàna vaovao, ny didim-panjakana Lah. 2021-1113. Milaza ny andininy faha-6, fa « ny fanjakana malagasy irery no misitraka ny zo avy amin’ny fampihenana ny fiparitahan’ny karbôna (RE). Izy no afaka mitantana ny fivarotana azy sy mizara ny mari-pamantarana ». Marihina fa mitentina
8 tapitrisa dolara ny vola voalohany azon’i Madagasikara avy amin’ny tsena karbôna, ny taona 2023. Vola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, tamin’ ny alalan’ny fandaharanasa Redd+, Fampihenana ny fiparitahan’ny karbôna vokatry ny fandripahana ala.
Fahazoan-dalana ara-tontolo iainana
Mifandraika amin’io lalàna vaovao io ihany koa ny fampiroboroboana ny asa fiarovana ny ala an-tanety sy ny ala honko. Anisan’ny miaro ny ala honko ny orinasa Bôndy, amin’ny alalan’ ny tetikasa “Ma Honko”. Nambaran-dRtoa Aigrette Lalao, talen’ny Toekarena Manga ao amin’ity orinasa ity, fa eto Madagasikara ny 2% ny ala honko maneran-tany, ary 15% aty Afrika. Mitahiry karbôna avo 3 hatramin’ny 10 heny ny ala honko miohatra amin’ny ala an-tanety. Voatazona foana ny rohivoahary ao aminy, satria misy foana ny rano ka miroborobo ny fitomboan’ny zavamaniry. Azon’ny Bôndy tamin’ny volana jona teo ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana, mamaritra ny bokin’andraikitra. Faritra dimy ny tena iasany: Sava, Diana, Melaky, Boeny ary Sofia.
Njaka Andriantefiarinesy




