Zo sy fananahana ara-pahasalamana : Nanao antso ny tanora manana fahasembanana

Nifarana ny volana jolay lasa teo ny fakan-kevitra nasionaly, natomboka ny volana febroary lasa teo, tany Antsirabe, izay nataon’ireo tanora manana fahasembanana momba ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana. Ni­songadina fa misy olana ny fisitrahan’ireo sokajin’olona ireo momba ity zo ity ka manao antso ho an’ireo firaisamonim-pirenena sy ny fitondram-panjakana izy ireo ma­noloana ny zava-misy. Ni­voitra nandritra ny fihaonana tamin’ireo tanora ireo tany Toamasina, Fianarantsoa, An­tsirabe ary teto Antana­narivo fa misedra fanilikilihina sy herisetra izy ireo. Sarotra ho an’ny olona manana fahasembanana ny hikarakara ny fahasalamany satria tsy nahazo fiofanana momba ny fandraisana an-tanana azy ireny ny mpiasan’ny fahasalamana, ny fotodrafitrasa rahateo tsy ahazoana mivezivezy eny amin’ny tobim-pahasalamana. Marefo kokoa ny olona manana fahasembanana manoloana ny fanolanana sy ny herisetra satria tsy omen’ny manam-pahefana lanja ny fijoroana vavolombelona ataon’ireo niharany.
« Jereo manokana izahay tanora manana filana manokana ». Io no antson’ireo tanora manana fahasembanana mitaky fanavaozana azo tsapain-tanana.
Tokony hifanaraka amin’ny filan’ny olona manana fahasembanana ny toeram-pitsaboana ary manome tolotra maimaimpoana na amin’ny sarany mirary. Zava-dehibe koa ny fanofanana ny mpiasan’ny fahasalamana hifehy ny tenin’ny tanana sy ny fandraisana manokana ny olona manana fahasembanana ma­rary na koa mila torohevitra momba ny fananahana ara-pahasalamana. Ny tetikasa M’iray 2.0 sahanin’ny Autisme Madagasikara no manatanteraka ny fanohanana ireo tanora manana fahasembanana ireo momba ny zo sy fananahana ara-pahasalamana. Ma­no­hana ara-bola ny Amplify Change.

Vonjy

Partager sur: