Navoakan’ny Federation Sport-boule malagasy (FSBM), ny faran’ny herinandro teo, ny anaran’ireo ankizy efatra mianadahy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy zandriny Juniors. Sarotra ny fifantenana satria samy sangany ireo nitiliana.
Nifarana ny alahady lasa teo, teto Antananarivo, ny fampivondronana nifantenana ireo mpilalao zandriny, tsipy kanetibe Junior, lahy sy vavy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondiaux 2025”. 2 lahy sy 2 vavy no handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy amin’ity. Ho an’ny zazalahy dia i Clarito, avy amin’ny klioba C2BA Vakinankaratra, sy i Nathanael, klioba PAC Ampitatafika. Ho an’ny zazavavy, i Mitia mpilalaon’ny CBAT Ambalavao Tsienimparihy ary i Sarobidy avy amin’ny CAB Analamanga.
14 mirahalahy ireo niatrika ny fifantenana raha 4 monja ho an’ny tovovavy. Masontsivana maro no nisedrana azy ireo nandritra ny herinandro roa, izay natao teto Antananarivo. Anisan’ireny ny fanajana fotoana, ny fahaizana mihaino, ny fitondran-tena ivelany sy anaty kianja. Ny fifanajana eo amin’ny samy mpilalao, eo amin’ny mpilalao sy ny mpanazatra, ny fahaizana miara-monina.
Ankoatra izay, eo koa ny fahafehezana teknika. Nojerena ny fahaizana ny maka isa sy ny tifitra. Nisy ny lalao ho an’olon-telo nitarafana ny tena talentan’ny tsirairay ka nampifamadibadihana ny toerana nisy azy ireo ary nampifangaroana ny fiarahana tao anaty ekipa. Sarotra ny fifantenana satria samy sangany ny mpilalao tsirairay avy ka ny isa azon’ny isam-batan’olona izay navadika ho isan-jato no nivoahan’izy efatra mianadahy. Tsy mbola niatrika fifaninanana iraisam-pirenena izy ireo ka mila homanina amin’ny toe-tsaina, amin’ny fanomanana manaraka izay hitohy amin’ny herinandro ambony, raha tsy misy ny fiovana.
Tsiahivina fa hatao any Espagne, ny 23-26 oktobra ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity. Marihina fa tsy maintsy misy vehivavy ao anaty ekipa mifaninana amin’izany.
Tompondaka




